Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 17 August 2017

TE HIAVOTRA FA TSISY ASA E

Ity presque copié collé tabatabako maraina tamin'ny zandriko. Normal be raha mahantra e
 
Nalefa ilay JL fa mankaleo. Raha ny hoe fatiantoka taminy dia tsy iray lavaka fotsiny. Izy koa antitra be atahorana hitsipaka ato.
 
Nisy zazalahy hoe Tojo nanao interim tato. 5000ar isan'andro hono no karamany, mpantsakan'olona any Ambohibao any izy io. Fa ny andro iray moa ahoana ny définition. Ny olana dia iantohana frais mankaty, iantohana sakafo dont café sy mofo maraina. Ka i Rondro tsy mahay sady tsy manam-potoana hanavahana karazana sakafo ho anay sy ho azy! Dia mitovy izany. Donc = "tsara be". Fiadanana feno. Isaka ny mihetsika dia mandona raha vao ato aho. "Hivoaka kely aho", "Omeo vola hamidy sigara", "andefaso message ny zokinay", "omeo an'i mamanay ny 20 000ar" (=engagé 4j ve izy izany????)
 
Dia i Tojo hono izany nitady solony. "Bandy kely te hiavotra".

21 ans hono. Madinika kely toy ny mpisam, mety be manao resevera fa afaka mioritroritra tsara ao anaty mazda, vao hitanay klou de efa tsy dia voanay. Nialàna ny fitsarana ivelany. Nomena ny karama tapa-bolana = hadalana miharo kasoa! T@ alatsinainy io. Natoro ny asa. Ny tena zokiny dia hoe tsy ilaozana ny tanàna, tsy miantoka sakafo izahay, manadio.
 
Ankoatra izay, afaka mamboly ho azy, fa tsy ho anay.
 
Ny talata 15 août vao nentina nijery ny tanàna manontolo. Natoro ny antsipiriany. Manaraka fe manaraka.
 
Ny alatsinainy klou de efa niera hoe "ho any @ ville (renivohitry ny distrikta à 2km eo ho eo) hisotro café". Avy eo nandona hoe "ty mba sarzeo ao" (phone, asa na vao novinidy). Charger-ko @ inona hoy aho.
Fa ... nga tsy misy jirama? hoy izy sady nojereny ilay projecteur solaire.
Za koa tsy mahay manafina fa sèche be mihitsy. Lagy aho satria tsy tiako ny dondonina ato. Matoa aho mijanona ato, tsy hoe dispo ho an'azy, tsy voatery tantaraiko azy.
Dia no-charger-ko ihany ilay an'azy. Ny sigara @ zany eny an-tanana ihany, toy ny deba mibaiko ny sekreterany hoe eto ny atsofoka ny sarzeur.
 
Misy jiro solaire ao aminy. Moa va tsy no-bousiller-ny!!!! Nanatsoahany prise ni-charger-ny an'ity phone-ny!!!! Izay sûr fa tsy mety. Mila accumulateur ireny fa tsy mahazaka phone na appareil hafa mihitsy raha ireny plaques kely ireny direct!
 
Bedy koa fa nampiresaka zazavavy kely tao ambany tao. Nefa milaza fa manana fofombady bevohoka 3 volana hatao raharaha atsy ho atsy... Efa tenenina hoe aza be resaka.
 
Tsy mahita afo mirehitra loatra aho. Angamba zatra kibo an-tsena sy toloram-potsiny.
 
Anisan'ny condition koa hoe tsy maintsy mody isaky ny sabotsy dia miverina alahady!!! Nekena. Izany hoe la semaine izahay mifofotra miasa handoavana ny karamany, hireveny ny week end fa izahay manao ny asany!!! Henjana an.
 
Tsy tanty ny mifoha maraina. Adala manko izahay mifoha @ 4 du mardi au lundi!
 
Dia omaly hariva nametraka taratasy tao hoe lasa aho fa tsy tamana.
 
Toy ny tsy lehilahy. Maninona raha toy ny fahasahiana niady varotra karama no nahasahiana nametra-pialana???
 
Nanantena hatao zazamandry angaha?
 
Tena tsy gaga raha toy izao ilay mponin'i Madagasikara. Tsy hoe mitady tany malemy hanorenam-pangady fotsiny fa tsy mahafantatra akory ny bikan'ny hoe angady.
 
Tsy hoe aterina any am-bavany ny sotro, fa efa tsakoinao mialoha dia mitelina sisa no anjarany, dia mamonjy fandriana izy dia omenao ariary zato.
 
Hakamoana + TVA nefa ny caprices = sorties WE, sigara, môly, phone, café, gargôty, kata, sipa.
Aux frais de la princesse? Odôyé

05:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ariary zato am-pandriana, kamo be tenda, tany malemy | Comments (0) |  Facebook | | | |