Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 20 July 2019

MAZAMBODY

Ambotaiazy, na fitohanan’ny fifamoivoizana. Mba misanda ohatrinona re ny fatiantoky ny tsirairay sy ny besinimaro amin’izy io, fa zary fotoam-pialam-boly sy fialam-bala. Efa naleha ity noheverina ho lala-manivaka rehetra. Tsemboka izay tsy ho tsemboka. Nihafaingana sy nihamafy nanjary henoko tety ivelany ny fidoboky ny foko satria natahotra mafy tsy hahatratra ny fotoana hovonjeko aho. Efa adim-pamantaranandro iray mahery no lany nibanjinana ny fiangonana Jesosy Mamonjy teo Ankorondrano. Resy be mihitsy raha toa nifanala hazakazaka tamin’ny sifotra sy ny vitsika ary ny sokatra. Koa satria tsy nanana afa-tsy telopolo minitra sisa handehanana ho any Androhibe, dia nanapa-kevitra fa hiala amin’ny fiarakodia, ka handeha an-tongotra.

mazambody, watouck, tabac boeuf, fo watouk, rhododendron, analamazaotra

Rehefa hatenda ny aina, dia nivonona handeha moto, izay eo amin’ny fara tampon’ny tahotro ! Ankoatra ny tahotra kodiaran-droa tsy misy rindrim-by, dia natahotra ihany koa sao hitolo-batana amin’ny mpaka an-keriny, satria dia taxi-moto ity notadiavina.

Rehefa nilaina ny taxi-moto, izay niavonavonana fatratra indray andro izay, dia tsy nisy hita. Koa dia nampiasaina ny tongo-droa rehefa nanjavona ny kodiaran-droa.

Avo dia avo ny kiraro. Na hoditra malefaka antonona tsara aza, dia nanaikitra fatratra rehefa vita ny vahilava hatreny Ivandry. Nitsovaka ity vodin-tongotra. Nikiry. Nahita fiarakaretsaka ihany rehefa ilay hananika an'Alarobia iny. Niaretana ny hirifiry. Namboarina tsara ny fo sy ny saina sy ny endrika satria lahateny ity hatao, ary izay ilay « asa ». Mbola mijoro sy mandehandeha ihany koa amin’io. Nony hariva, niempaka tanteraka ny tongotra. Natao ny fitsaboana takatry ny saina, nozahàna indray ity kiraro atao hoe « kapakapa » hanohizana ny fiainana satria tsy ahazoana fialana sasatra ny atao hoe lanin'ny kiraro. Fa narary ihany ny tongotra. Narary hatreny an-dranjo satria nanonitra. Nanavy niakatra hafanana mihitsy. Nifanao tsy omby aloha hatrany ny adidy aman’andraikitra. Raharaha ity fandevenana tsy maintsy natrehina. Fandrotrarana an-tanàna haolo ny tena, tsy maintsy nandeha. Tsara ny lalana, hoy ny valala mpiandry fasana. Samy manana ny tsarany tokoa fa dia raikitra indray ny dia an-tongotra roa kilaometatra satria dia nolavahan’ny kodiaran’ny fiara tsy mataho-dalana ilay lalan-tany efa voatondratondraky ny eri-dririnina. Nijaly ireo tongotro.

Telo herinandro no lasa fa nanjary fery naharikoriko ilay izy, ary tsy azo notakonana fa navela hihanjahanja satria namory nana. Kivy aho. Sao sanatria mba miompy diabeta àry fa toa sarotiny tampoka teo ! Tsy maintsy naleha koa ity fizahàn-tany efa voahomana efa ela. Dia an-tongotra mamakivaky ala sy renirano sy karao-bato, andro sy alina. Somokotra sy seriny manorotoro ny bozaka aman’ahitra rehetra tao Analamazaotra ity mpitari-dalana. Tsy hay intsony ny tantara valamaty sy valavelona fa dia mihaino fe tsy marenina. Misy moa ny fantatra tsara fa diso, fa dia henoina amim-pahalalam-pomba. Mamarina an-kady ihany koa ny fahalalam-pomba raha toa ka itandroana filaminana ny fihatsaram-belatsihy.

Itony hoy izy no « mazambody », fitsaboana aty, vavony, fery, etsetra etsetra. Raha ny karazana ody sy fanafody tao an’ala, dia tsy tokony hisy havizanana sy fahanterana sy fahafatesana intsony.

Izaho ilay tsy miteny hoe manavy raha tsy mahita 38° amin’ny tondrofàna. Izaho ilay tsy milaza hoe sahabo ho iray kilao fa mila mandanja. Koa satria nangirifiry loatra sy nanomboka nampiasa saina ahy ity tongotro, lanin’ny kiraro efa ho iray volana lasa, dia nalaiko ny ravin’ny mazambody. Tsy hoe nalaiko tsy sazoka, fa tena nalaiko tamim-pinoana. Nopolesiko kely tamin’ny rantsako, napetapetako kely tamin’ny ratrako. Ary teo no ho eo ihany tompokolahy sy tompokovavy dia ... sitrana !

Inona no féminin amin’ny hoe Thomas ? Fa dia nahita aho ka niaiky.

Fahazarako ny tsy maintsy mivingitra zana-javamaniry eran’ny tany ombàko, na faritra arovana io na tsia, ka dia nitondra zanaka mazambody aho, ambolomboloina ao fa tsy dia ampy hamandoana toy ny any Mangoro ny eto an-tokotany.

Sitran’ny mazambody ny mazan-doha.

mazambody,watouck,tabac boeuf,fo watouk,rhododendron,analamazaotra

 

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mazambody, watouck, tabac boeuf, fo watouk, rhododendron, analamazaotra | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next