Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 29 November 2019

HIFIDY INONA SA HIFIDY AN'IZA

Dia natao ity fifidianana. Ka arakaraka ny nilazana azy hoe « akaiky kokoa ny vahoaka » (de proximité) no tsy niraharahain’ny vahoaka azy, satria dia zara raha nisy ampaha-efatry ny olona « voasoratra » ho mpifidy, no nanetsika ny tongony sy ny tanany. Izany hoe, mbola vitsy dia vitsy kokoa ny taha raha toa ka oharina amin’izay tena « tokony » ho mpifidy.

 

Efa enim-bolana mialoha manko dia nofaranana sy nohidiana ny lisitry ny mpifidy. Izany hoe, izay maty sy feno taona sy nifindra monina sy niova sata tao anelanelan’izay, dia ivelan’ny fieritreretana. Misy olona (angamba) karamaina hisahana an’izany « fanisam-bahoaka » izany, fa asa inona no ataony mandavan-taona, no dia tsy voalamina ara-potoana ny mombamomba ny mponina. Mahafinaritra ny mitoetra eo amin’ny toerana tsizarizary miaraka amin’ny fitaovana tsy àry fomba sy ny fahalalana mitsipozipozy, mba hatao fialana tsiny sy fialana bala amin’izay tsy fahatomombanana rehetra.

 

Mba nodidiana ho andro tsy iasana fa andraisana karama ilay andro alarobia tsy miverina nanaovana ny fifidianana. Dia mba araraotina izany hanefana ny trosa tsy vita eo amin’ny fiainana noho ny hazakazaka isan’andro, afa-tsy ny fifidianana. Ny mahagaga ahy, rehefa andro « hovonoina » ihany, maninona no amin’ny dimy ora hariva vao faranana ity izy ? Fa raha « niasa » moa, angaha tsy nifoha tamin’ny efatra maraina foana, dia handeha any amin’ny folo kilaometatra miaraka amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana ? Ity anefa, fifidianana …. Tsy eo amin’ny sekoly eo an-tanàna ihany ve ny birao handatsaham-bato e !

 

Fahatelo. Hifidy dia hametraka olona manao ahoana « hitondra » ny fiainan’ny tena ? He ireto efa mitaingin-tseza : toa ianao daholo no akàny hevitra amin’ny fomba samihafa ! Tena hoe eo am-pandrasana no mijery ny atiny ! Fa inona angaha no tao an-tsainy raha nihevitra hitantan-draharaha izy ? Tapitra ve ny fanjambenana tamin’ny fampielezan-kevitra ? Toa atao « fifaninanana tetikasa » avokoa na ny toekarena, na ny kolontsaina … Toa iantsoana « tana-maro » avokoa na ny fandraofam-pako, na ny fanangonana ny vakivakin’angano sy tantaram-pirenena … Toa araraotina hanaovana « lanonana » avokoa na ny ady baolina kitra, na ny fiandrasam-patin’ny mpihira (izay tiana) …  Toa voafintina amin’ny teny iray hoe facebook ny serasera sy ny fanapahan-kevitra (saika) rehetra …

 

Vita ilay fifidianana, ary betsaka no nihiaka fandresena. Toa anay izay tsy nifidy, tsy tompon’andraikitra amin’izay ho fahavoazana, satria tsy misy heverinay hahavita tsaratsara kokoa tamin’ireo hoe hisafidianana ! Izany hoe tsy misy nenina.

12:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fifidianana, abstention massive | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 Next