Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 01 November 2019

NY FAHAFATESAKO

Tsy misy na inona na inona azoko sary an’eritreritra ny amin’ny fahafatesako sy izay hanaraka azy rehetra. Tsy misy na inona na inona azoko anafarana sy ameperana ihany koa. Tsy misy na iza na iza tsinona, azoko terena na iangaviana hanatontosa ny fara hafatra sy faniriako. Tsy hanoratra didy miafina aho, fa ny fiomanana ataoko dia ny mampirimpirina dieny izao ny fananana keliko, tsy hiparitaka be loatra.

Dia mba manoratsoratra ny teny ireriko toy ny mahazatra ahy aho. Tsy mino fitohizana aorian’ny fialan’ny fofonaina tsinona aho. Tsy mino aho fa haka endrika hafa fotsiny ilay naha-izy ny olona anankiray. Tsy mino fihaonana toy izao fifankafantarana izao aho, raha tsy hoe anaty nofy angaha. Ny olona matory anefa no manonofy, ary tsy torimaso mihitsy ny fahafatesana. Tsy mbola nisy olona natory ka lo sy nahiboka any anaty fasana.

Ka rehefa maty aho dia tsy mametra dieny izao an’izay endri-pitiavana tian’ny velona haseho. Mitomania izay te hitomany. Miakanjoa fisaonana izay te hanao an’izany. Raha ny fiaraha-mivavaka no hifampaherezanareo, dia ataovy. Raha te hiara-mikorana ianareo ho famoizana ahy, dia ataovy. Miareta tory araka izay vitanareo, raha tianareo izany. Azo afody koa anefa ny trano mandra-pametraka ny vatako any amin’izay hisy azy. Tsy tia fitangoronana aho fahaveloko. Tsy tia kotaba sy feo miakatra. Tia lanonana tsotra sy mihaja aho. Tia nandrindra sy nandamina. Nanafina ny fahalemeko sy ny kilemako aho ka aza dia aseho ny olon-drehetra ny faharesen’ny nofoko noho ny aretina sy ny fahanterana. Mba alamino tsara ny trano alohan’ny hamoriana olona hanodidina ahy. Esory ny tranonkala fa tena tsy tiako ireny. Aza avoaboaka an-gazety hilahatra amin’ny dokam-barotra sy ny vaovao misongadina ny fampahafantarana ny fahafatesako. Avelao ho any izay tsy mandre, feno be loatra hoe ny rano ! Aza afatopatotra ny vatako fa efa voagejan’ny karazam-pifanekena ny fahavelomako. Aza doroina ny tenako fa efa nahamay foana ny ady natrehako. Aleveno mitokana eo anilan’i dada sy i neny aho raha vitanareo. Raha tsy vita, dia mba misy fasam-pianakaviana afaka mampiantrano ihany, araka izay tsy manahirana indrindra. Namboly voninkazo aho fahaveloko, fa tsy mba nanapatapaka zavamaniry …

Moa misy va ety iriko toa Anao …

Hitsahatra amin’izay nisasarako ara-bakiteny tokoa aho, ary hanaraka ahy ny asako rehetra. Afaka ady sy ahiahy. Niaina araka izay vitako tamin’ny fahamendrehana sy ny fahatsorana rehetra. Nanisa ny androko tokoa mba hananako fo hendry. Dia tonga ny teboka famaranana ka naverina ny fara fofonaina. Niamboho an’izao hita rehetra izao. Aza omena ahy izay tsy foy ho ahy fahaveloko. Tsy raisin’ny maty intsony ny trosa fahavelona.

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: testament | Comments (0) |  Facebook | | | |