Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 28 August 2019

DIA MAITSO

 

alphonse rajaonarisaonina, ccce, lycée itokiana ambatomirahavavy, dia maitsoFihaonana. Toerana mivesatra tantara. Dia samy manoratra an’izay fantany sy tiany hampitaina ny mpikaroka, ny mpandalo, ny mpamaky boky, ny tera-taniny …

Zavatra vitsy ihany no hotsiahiviko. Lasim-pivondronan’ny XIV° efa taona maro lasa izay. Naniry an-taona vitsivitsy ilay filao nentiko avy any, dia maina, dia maty. Dia manimanina an’Ivonizongo tany niaviana aho ka indro niara-dia tamin’i dadatoa Alphonse, nanao fizahan-tany tao anatin’ilay hoe DIA MAITSO. Ny zohin’ny maritiora, ny sekolin’ny misionera, … Dia nanatitra an’ireo hava-malala tany am-pasan-drazany avy.

Anjeva. Ny fahatsiarovana an’Ampahimasina, tanàna nilalaovana, sy ny hanina te handeha lamasinina, no nanosika mba handeha. Nikija ny erik’andro tamin’izay, nihanika havoana teo am-pita atsimon’Iravoandriana. Dia naheno tantara aho hoe Rabobalahy. Ilay Rabobalahy fantatro ve, angamba satria onenan’ny taranany Ampahimasina …

Ankehitriny, dia lasa i Dadatoa Alphonse. Nandeha irery rehefa avy nikarakara DIA nahafinaritra ho an’ny rehetra.

 

 

10:10 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: alphonse rajaonarisaonina, ccce, lycée itokiana ambatomirahavavy, dia maitso | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 Next