Wednesday, 28 August 2019
DIA MAITSO
Fihaonana. Toerana mivesatra tantara. Dia samy manoratra an’izay fantany sy tiany hampitaina ny mpikaroka, ny mpandalo, ny mpamaky boky, ny tera-taniny …
Zavatra vitsy ihany no hotsiahiviko. Lasim-pivondronan’ny XIV° efa taona maro lasa izay. Naniry an-taona vitsivitsy ilay filao nentiko avy any, dia maina, dia maty. Dia manimanina an’Ivonizongo tany niaviana aho ka indro niara-dia tamin’i dadatoa Alphonse, nanao fizahan-tany tao anatin’ilay hoe DIA MAITSO. Ny zohin’ny maritiora, ny sekolin’ny misionera, … Dia nanatitra an’ireo hava-malala tany am-pasan-drazany avy.
Anjeva. Ny fahatsiarovana an’Ampahimasina, tanàna nilalaovana, sy ny hanina te handeha lamasinina, no nanosika mba handeha. Nikija ny erik’andro tamin’izay, nihanika havoana teo am-pita atsimon’Iravoandriana. Dia naheno tantara aho hoe Rabobalahy. Ilay Rabobalahy fantatro ve, angamba satria onenan’ny taranany Ampahimasina …
Ankehitriny, dia lasa i Dadatoa Alphonse. Nandeha irery rehefa avy nikarakara DIA nahafinaritra ho an’ny rehetra.
10:10 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: alphonse rajaonarisaonina, ccce, lycée itokiana ambatomirahavavy, dia maitso | Comments (0) | Facebook | | |