Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 04 January 2020

AZA VONOINA NY AFO AO AM-PATANA

raosy.jpgSabotsy voalohany amin’ny taona 2020.

Avy be ny orana Antananarivo. Ilay volon’andro dia mampahatsiaro ahy ny vakansy fahazaza tany Antsirabe, tao amin’ny tanànan-dry dadabe, izay nandany ny hatanorany tany, nandany ny fiainany tany ihany koa.

Mitangorona mankany izahay rehetra zanaka aman-jafy isaka ny vanim-potoana toy izao.

Tsaroako ilay lalana miditra ao an-trano, feno alan-katsaka ny andaniny roa. Toy ny lehibe mihitsy ny fahatsiarovako an’ilay trano tamin’izany, saingy ankehitriny dia hitako ny maha-kely azy. Saingy antonona anay rehetra, efa ho an-jatony.

Tsaroako ny tokotany tao andrefana, nisy alam-boankazo sy fototra goavy fanaovana an-tsavily.

Ny tena tsaroako dia ny lakozia, izay efitra iray manontolo. Afon-kitay no nampiasaina. Somary maka zorony atsimo atsinanana ilay toko. Ny lafin-drindrina anankiray nisy salazana fametrahana kitay. Teo ambany kelin’ny valin-drihana no tsy tapaka kitoza nihantona. Ny lafin-drindrina andrefana nisy farafara tena avobe, fandrian’ilay hoe Solo. Asa izy io na fianakaviana ihany na mpiasa mpanampy, fa tao no efitranony.

Tsy tsaroako hoe inona no nipetrahan’ny olon-dehibe rehetra nitoby matetika tao, miresadresaka isaka izay hitako. Fa manodidina ny afo no fahitako azy, ary ny fatana dia nisy vilany nitokona hatrany.

Tiako, sady mbola tsaroako, ny fofon’ny setroka kitay hazo tamin’izany. Teo am-baravarana mankao amin’io lakozia io, dia nisy soratra napetrak’i dadatoa, lahimatoa amin-dry neny hoe « aza vonoina ny afo ao am-patana ». Tadidiko ny ady hevitra be naterak’izany tamin’ny fotoan’androny. Fa nony tena vory saina aho, dia azoko tsara ny dikany.

Ara-tsakafo, dia zavatra telo no tena tsy maty ao an-tsaiko :

  • ny tonon-katsaka
  • ny tsaramaso maina esorin-koditra vao atokona
  • ny anana maina atao hoe poly

Fa ny ankoatra izay, dia ny toetrako tsy mbola niova mandraka ity ny androany, efa efapolo taona mahery aty aoriana. Roahana hilalao ny ankizy. Atao hoe "ankizy", izay zafikely rehetra, na firy taona na firy taona. Efa tsy nisy an-tanana intsony tamin’izany, saingy efa nisy tena lehibe ihany koa, satria i mamabe sy ny zanany vavy matoa dia nisy fotoana niara-niteraka. Mbola misy zokin’i neny ny zana-drahavaviny ! Dia roahana hilalao hoy aho ny « ankizy », ary ny matetika fanao dia ny fangala-piery, izay tena nety dia nety tokoa satria betsaka ny azo niafenana. Izaho moa, ilay olona tena tsy «mahay» milalao mihitsy. Raha ny marimarina kokoa, dia tsy mahatanty faharesena aho. Tsy tiako ihany koa ny lalao « tsy hitako izay dikany », vetivety aho dia leo ka aleoko mitokoko mihaino resaky ny olon-dehibe.

"Boka" àry ity izaho tamin’ity hoe fangala-piery. Tsy vonona mihitsy aho, tsy niezaka kely akory, fa vao vita ny « vita vô » farany, dia lasa aho nisitrika teo anilan’i neny, teo amorom-patana. Tsy misy mahalala akory ireto olon-dehibe hoe boka ange izaho ity. Nahazo asa aho tao an-dakozia, ary tiako ilay « ilaina », indrindra fa ilain’ny olon-dehibe. Tsy fantatro izay niseho tany an-tokotany, tamin’ireo mpiafina rehetra, fa nony efa elaela dia injao henoko fa efa lalao hafa indray no nataony. Nisy nahita angamba aho nitsofoka tao an-dakozia fa tsy nitady an-dry zareo.

Tadidiko fotsiny, fa tsy nisy nanao fanamarihana tamin’ny nametrapetrahako azy ry zareo, ary kivy kely aho. Fa tsy nahoako izany. Tsy nisy sahy intsony koa nanery ahy handeha hilalao. Indraindray, ny lalao no tsy mahaliana ahy. Fa matetika koa, ny mpiara-milalao mihitsy no tsy tiako.

2020.Tsy mbola niova aho. Ary tsy vonona hiova.

15:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next