Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 29 February 2020

KOLONTSAIN'NY ZARA MIRA !

Fony mbola teo avokoa ny « olon-dehibe » tao amin’ny fianakaviana, izany hoe ny mitovy laharana tamin-dry dada, dia nisy fihaonana in-telo isan-taona, niarahana nikorana.

Indray mandeha, dia teny Ambatofotsy teny, tao amin’ny sahan-dry dadafara. Vao nanambady ny zanak’anabavin’i dada i Patricia tamin’izay, nantsoinay hoe Rasoa.

Natoby tao amin’ny fiarakodia anankiray, itony antsoina hoe pick-up ny sakafo rehetra, ary Rasoa no tompon’andraikitra.

Rehefa avy mihenjy izahay ankizy madinika, dia manatona eo, hisotro rano, satria tena maina ny tenda. Sady mihazakazaka, no mihosim-bovoka, eny amin’ny hainandro migaingaina. Raha vao misy anankiray mankeo amin-dRasoa, dia misy andiany be mitangorona manaraka an’iny. Fa misy ihany koa, andiany manohy ny lalao.

Ho aiza daholo ireto ? Hoy Rasoa. Mangetaheta daholo ?

Tsia, hoy ny sasany.

Izay mangetaheta ihany no milahatra eto, hoy Rasoa.

Dia niandry teo akaiky teo izay tsy nangetaheta.

Mbola tsaroako foana izay tranga izay : izay mangetaheta ihany no misotro, fa tsy satria misotro Rakoto, dia mba hiboboka koa aho sao diso anjara.

Raha mba voataiza isam-pianakaviana amin’ny zavatra mitovitovy amin’izany ny olona, fa tsy hifandrombaka, hiady an-kanina, hitaky zara katsa amin’izay rehetra atao, dia mba ho hafahafa kokoa ity tany ity.

Voasa tany an-tokantranon’olona aho indray andro. Mila ho isaina mihitsy ny voam-boanjo, mila horefesina mihitsy ny haavon’ny zava-pisotro ! Ary tena maty isa tokoa ireo tsakitsaky notsakotsakoina natao fanokafam-bavony : raha nisy naka anankiroa, dia nisy tsy nahazo anjara.

Mbola tazako tao, ny fitokonana sy fihisarana manodidina ny latabatra atao hoe buffet. Mbola tsikaritro tao ny fikajiana ny fotoana mba hitarazoka tsara, mba ho vita ao  ny sakafo hariva. Mbola fomban’ny tao ny mivatsy harona kely hitondrana mody …

mofo.jpg

 

Dia tsy gaga aho raha misomaritaka amin’ny fanomezana misanda 65 000 ar ny olon-dehibe nandia fianarana atao hoe mpiasam-panjakana.

Mahatsiaro an-dRasoa aho …

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: zara mira, ady an-kanina | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 Next