Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 15 March 2020

RAVINTOTO SY HENANKISOA, FIZARÀNA VOALOHANY

Iza moa no tsyravintoto.jpg hahafantatra ravintoto sy henankisoa, sakafo lazaina fa mampiavaka ny Malagasy ary ireharehana fatratra ny fampiderana azy amin’ireo vahiny. Toy ny zavatra sasantsasany ihany : ny anana, ny koba, ny mofogasy, ny patsa, sy ny sisa, dia manjary tadiavina be sy tiana tokoa rehefa hoe any ivelan’i Madagasikara ny tena.

Hatrizay niainako teo amin’ny sehatry ny asa, dia tsy gasy ny ankamaroan’ireo olona nifaneraserana. Raha ataoko ny salan’isa, ny antsasany dia tsy tia ravintoto. Maharikoriko azy hono. Ny ampahatelony tsy tia taovan-kena sy tongotr’omby. Maloto hono. Ry zareo avy any Amerika atsimo no mitovitovy fomba sy fitiavana amin’ny Gasy. Fa ny Eoropeana, indrindra ny Frantsay, asa na avonavona na ahoana, no tena milaza ho tsy tia ny sakafo antsoina hoe gasy.

Mba « nahita » izay nahita hoe totoina ny ravi-mangahazo vao mety ho masaka ! Ary izy dia mafaika tokoa rehefa tsy malemy tsara sy tsy matavy tsara ny hena afangaro azy. Ny henankisoa aloha no mbola hitako ho tsara. Teo ny trafon’omby, teo ny voanjo, teo ny diloilo samihafa. Fa hafa ihany ny henankisoa matavy. Ary mbola ampiana menaka aza, mba ho mandimandina tsara ny anana. Ritra ihany koa no mahatsara ny ravintoto, satria dia maharikoriko tokoa raha izy no alain-drony. Mainka moa fa ny henankisoa dia tsy fanao ro. Ny avy any Vonizongo hoe no maka ron-kisoa ! Ahoana izany ry Dada ?

Taloha, dia nalaza ny ravintoto toto tanana. Saingy mba jereo eny an-tsena rehetra eny fa ny ravina rehetra hitsin’ny tanana mitoby amin’ny gony eo amin’ny tany eo no latasin’ingahy mpitoto, efa tera-tsemboka fatratra. Malama ny fanoto ka roraina matetika ny felatanana. Raha sendra hoe tena ravi-mangahazo no totoina, dia manaraka any avokoa ny tahokeliny rehetra iny. Nony tato aoriana dia azo nitotoana ravi-mangahazo ny milina kely fitotoan-kena. Dia mba misahirana mitoto rehefa te hanana ny mety. Tsy misy anana tokony hohanina tsy tangosana tompoko, tsy misy anana tokony hotetehina tsy voasasa. Tsy midila amin’izany ny ravi-mangahazo, izay ho lasa ravintoto.

Rehefa mahandro « laoka », dia ritina amin’ny ranon-sasany aloha ny hena. Atao maimay kely mihitsy mba hivoaka tsara ny fofona manitra, hitera-menaka raha matavy. Rehefa ritra, dia ampiana menaka indray mba haka loko, amin’iny no arotsaka ny larony rehetra toy ny tongolo, voatabia, sakamalaho, sakay, sira. Haroina tsy mitsahatra mba hifangaro tsara ary rehefa mahazo saosy somary marihitra vao arotsaka ny « fangarony » efa voadio sy voaomana. Haroina tsara hifangaro, izay vao tampotampohina rano tsikelikely. Ny rano adoboka be am-boalohany no tsy mampatsiro ny sakafo. Any amin’ny fanampohana fahatelo vao atao ny rano betsaka hanamasahana azy. Dia toy izay no anaovana ny ravintoto. Tsy marina ny hoe mampangidy ny ravintoto ny fanampohana rano mangatsiaka. Ny fanasiana siramamy ny ravintoto, dia tsy hitako izay dikany. Toy ny tsy fahitako izay dikan’ny hoe asiana siramamy ny saosy vinaingitra. Hafa indray raha chutney no resaka. Na saosy aigre-doux mihitsy. Rehefa ritra tsara sy masaka ny ravintoto sy henankisoa, vao asiana tongolo gasy voakiky. Izy manta no mampivoaka ny hanitra sy tsiron’ny tongolo gasy.

Raha izaho, dia ny ravintoto efa mangatsiaka, na mialina andro mihitsy aza, no tiako. Hohanina amin’ny vary, na atao anaty mofo dipaina !!!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ravintoto sy henanksoa | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.