Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 06 January 2020

MODY GAGA

Mahatsiaro anao aho ry Eliane TISSOT amin’ilay fiteninao mazàna hoe « mody gaga ». Fa dia betsaka no mahay an’io.

Tsy izany manko fa izao : Vao samy 20 taona angamba izy roa ireto no nifankatia, hono. Dia tsy nisy nifankatia toa azy teto an-tany. Dia niroso tamin’ny fanambadiana araka ny fomba rehetra mahazatra. Dia nizotra tamin’ny lalam-piainana manara-penitra : narahin-jazavavy sy zazalahy. Dia hoy ianao hoe tsy ho faty ny aina.

Dia nitombo ny taona, nitombo ny harena, nitombo ny taranaka satria nivelatra amin’ny hoe fananana vinanto. Ho loa-jafy tsy ho ela.

Dia indro fa hoe nisaraka ! Dia nivanàka ny mpitazana. Zaza firy moa tsy mahafehy trano ? Ny fanahy firy no mahafehy trano ? Fa sady tsy nisy fanahy no tsy ampy isan-jaza va re. Nalazo ny ravina nihinanana sa ritra ny fitia ? Nefa vao omaly no nanatrika ny tokim-pitiavana sy ny anatranatra nanorenana ny tokantranon’ity zanaka vavy. Ny an’ny olona natsangana, ny an’ny tena narodana. Fa dia nahoana loatra ?

Hoy ny hendry hoe manao fahanteran’amboa ka antitra vao miha-gaigy. Gaigy va re ny olona mahay miala rehefa mahatsiaro ho voaratra ? Gaigy ve ny olona manapa-kevitra hiala amin’ny fatorana tsy ahitany fivelarana ? Marina tokoa fa ny maritiora ihany no nahazo satro-boninahitra. Fa mitondra inona moa ny laza azo amin’izany nefa ny tena rotiky ny fijaliana ?

Raha izaho no anontaniana, hoe ahoana ny hevitro, tsy mila mihaino feon-dakolosy na avy amin’ny andaniny na avy amin’ny ankilany, dia hoy aho hoe ny vy tsy mikitrana irery. Efa nisy erikerika tao matoa tondraka ny rano. Tsy avy ao anatiny ihany io, fa ny avy eny ivelany ihany koa. Ary tao anatiny dia tsy nisy firaisan-kina niarovana ny trano tsy hikoro.

  • Ireny teny lazaina fa tsy tsaroana rehetra tafasisika eny anelanelan’ny adihevitra ireny (tsy misy teny tsy tsaroana izany, fa na ny rediredin’ny miala aina aza dia misy dikany daholo) ;
  • ireny fiarovana sy fanomezan-drariny ny ankolafin-kavan’ny tena ireny ;
  • ireny fampandeferana lavareny ny ankohonana ireny, nilaozana matetika satria hoe hankaiza moa ireo fa miandry ahy eo hatrany ;
  • ireny tsy fiezahana mba hanatsaratsarana ny andavanandrom-piainana ireny ;
  • ireny fitiavan-tena madinidinika zara fa voatakona ireny ;
  • ireny fihalangalanana amin’ny zava-manahirana ireny ka nahatonga ny ankilany hahatsiaro ho miady irery ;
  • afa-tsy ireny kilema sy toetra ratsy efa fantany mialoha ireny nefa nandeferany noho ny hoe fitiavana, hono…

Dia zavatra tsy nampoizina no nampitobaka ny siny. Ary rehefa mby an-dakana ny tongotra, dia tsy hay tohaina intsony. Dia mody gaga na ny tompom-bady, na ny fianakaviany hoe fa inona no ratsy nataonay ? Ary na inona na inona ady nifanaovan’izy mianakavy, dia hiray hina sy hiray fo izy hanangana ho fahavalo iombonana an’ilay anankiray.

Raha ny hevitro no anontaniana, dia hoy aho hoe mijere fitaratra amin’ny maso tsy miangatra, fa aza mody gaga. Tsarovy ilay tenin’ny Ntaolo hoe « ny hovadiana betsaka, fa ny horafozanina no tsy misy ».

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: eliane tissot | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next