Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 15 September 2019

CAHIER DE SOUVENIRS

Arakaraka ny fandroson’ny fotoana sy ny fitombon’ny taona no mampitambolona fahatsiarovana betsaka.

Tadidiko ilay hoe cahier de souvenirs tany an-tsekoly, hatramin’ny bakalôrea aho mbola nanana an’ireny foana. Cahier iray alefa amin’ny olona izy io, hanoratany an’izay heveriny ho fahatsiarovana ifahatsiarovana. Asiana sarisary, asiana sarin’ny tena, asiana tononkira, asiana tononkalo, asiana « taratasy », sy izay takatry ny saina rehetra heverina mba hiavahana …

Matetika dia miova isaka ny fisondrotana kilasy izy io, fa ny ahy kosa dia anankiray ihany nanomboka tamin’izaho 10 taona mandra-pahavitan’ny kilasy famaranana. Dia indrisy fa very. Nisy naka ve sa nisy tsy namerina, fa dia niara-nafoiko any ny ankabeazan’ny fahatsiarovana ny taom-pahazazana. Tamin’ireny « namana » ireny, dia efatra sisa notanako.

Fa tamin’izay rehetra nosoratako tany amin’ny cahier de souvenirs-n’olona tany kosa, dia tsy niova firy aho sy ny fitiavako. Asiana an’izany koa manko izy ireny. Ary izay noforonina tamin’ireny cahiers de souvenirs ireny, dia efa nisy nandika sy naka tahaka. Voajanahary amin-draolombelona ny fisandohana, tsy mifidy taona, tsy manavaka sehatra. Izao àry ilay drafitra ankapobeny.

JE PREFERE :

-Loko : fotsy, bleu nuit, mainty, bistre, gris noir, amande

-Sakafo : fromage, ovy, kitozan-kisoa, chocolat, trondro, crevettes, langoustes

-Zava-pisotro : ranovola may, divay mena, ranom-boankazo garanadrelina, ronono

-Tanàna : Antsirabe, Fort Dauphin

-Fiarakodia : 4L

-Mpanoratra : Jean-Paul SARTRE, Marcel PAGNOL, RHA-Nary, E.D.ANDRIAMALALA, S.BEM, RANDRIANANTOANDRO Rivo J.R, Laurent GOUNELLE

 -Mpihira : Elsa, Roch VOISINE, Joe DASSIN, Daniel GUICHARD, Nana MOUSKOURI, Elton JOHN, Demis ROUSSOS, The Carpenters, The Platters, George BENSON, JJG, Lalatiana, Rija RAMANANTOANINA, Henri RATSIMBAZAFY, Mage 4, Lolo sy ny tariny, Nono, Akon’ny Lanitra Fort-Dauphin

-Hira : Famille (JJG), Parler (Elsa), Nofeheziko (Nono), Todim-pitia (Lalatiana), Malala (Lolo)

-Taranjam-pianarana : Anglais, Français

 

JE DETESTE :

-Loko : ny marevaka rehetra, ny grenat, ny maitso antitra

-Sakafo : ramirebaka, voanemba, akoho amam-borona, brocolis, monkonazy, rotra, tapia, fary, soja

-Zava-pisotro : ranom-boankazo corossol, zavoka, papaye

-Taranjam-pianarana : EPS

 

Dia nisy koa ny hoe MON PORTRAIT CHINOIS : Raha … aho dia inona ?

-Biby = gazelle, haingam-pandeha

-Mozika = jazz, feno improvisations, hira mioko

-Tany = Suisse, tsy mila miaramila mandavantaona

-Sakafo = Pizza, voafehy amin-javatra iray izay rehetra ilaina

-Loko = Fotsy, tsy manafina loto

-Zava-maneno = guitare, mora entina sy ampiasaina na aiza na aiza

-Fiarakodia = 4*4, tsy mifidy tany handehanana

-Voninkazo = azalée, tia maloka sy moron-drano

-Fitaovana = antsy …

08:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |