Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 07 August 2019

FAHASAHIANA NO ANARAN'IZANY

Heveriko hatrany ho fototry ny filaminan-tsaiko sy ny filaminam-piainako, ny fitoerako eo amin’izay sata misy sy antonona ahy. Raha avo aho, tsy hietry ; raha lesoka aho, tsy hisavika. Ny vavaka nampianarina ahy sy nekeko nianarana rahateo dia tsy mampangataka ahy ankoatra ny hanina sahaza, izany hoe tsy mihoatra, tsy latsaka.

Izay sahy maty, hono, no mifono lambamena. Saingy na fy aza ny amalona, ny lela tsy atao jono. Tsy itomaniako ny randrana efa hitako izao fa tsy manendrika ahy. Hakanosana no anaran’izany.

Nanozongozona misimisy kokoa ny antsavily mahavaka ny saiko ity hoe « fandresen’ny barea ». Io ilay sambany nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny ady baolina kitra iraisan’i Afrika. I Madagasikara, fa tsy ny Malagasy. Akory ny fiakatry ny fatokisan-tenan’ny tsy natoky tena rehetra raha nahita ny fahatafitan’ireto mpilalao matihanina !!! Tafita e. Miasa sy monina any an-dafy. Io aloha dia tena isotroana ny aleoko maty mihitsy, ivarotana an’izay azo amidy, amoizana an’izay nimatimatesana. Raha natahorana na ny niditra teny amin’ny labotika aza, raha fahoriana be na ny hanokatra kaonty amin’ny banky aza, rehefa hoe ho any an-dafy, dia tsy misy sedra izay tsy afaka. Fahasahiana no anaran’izany ! Ka mba hataoko amin’ny fomba rehetra izay hahatongavako any an-dafy aloha, dia ho hita eo fa mitokona rehefa any. Gaga aho raha nisy olona niara-nahatsiaro tamiko, tamin’ny fotoana iray, an’ilay zazalahy kely, gasy, hita faty tao amin’ny fitoeran’ny kodiaran’ny fiaramanidina, rehefa tany amin’ny seranan’i Orly … Te handeha rôplanina, te ho any an-dafy koa angamba … Fahasahiana no anaran’izany !

Fa ny tena zavatra dia manambady vazaha ny ankamaroan-dry zalahy Barea. Dia velon-tsoratra teo ny fanantenan’ny maro. Tsaroana tampoka ny hiran-dRampal hoe « tia an’i Madama », tsisy resaka saranga na fiaviana. Dia hotorahana aloha ny lanitra, sitrany mahavoa tendrombohitra. Tsapatsapaina ny vodin’akoho ka rehefa tsy tay ve tsy ho atody. Iarahana mahatsikaritra eny amin’ny fiarahamonina eny ireo andranandrana isan-karazany itsapana vintana ara-pifandraisana (et plus si affinité). Dia indro ilay irakiraka fa mikôty mpaniraka ; indro ilay mpiasa fa mikôty mpampiasa ; indro ilay entina fa mikôty mpitondra ; indro ilay vehivavy fa mikôty lehilahy ; indro ilay gasy fa mikendry vazaha. Fahasahiana no anaran’izany ! Fa angaha moa misy natao hikôty sy hokôtiana ? Eny. Adihevitra tsy ataoko izany.

Raha misokatra ny karazana fifanintsanana sy fifaninanana, ka raha eny avaratra ny mason-tsivana takiana, nefa eny atsimo no misy ny tena ; na toetra iray amin’ny folo ihany aza no mifanandrify amin’izay tadiavina ; dia irosoana ihany. Odiana adala eny izay maso vilana sy esoeson’ny mpitazana. Fahasahiana no anaran’izany !

Rehefa tsy mahomby ny lalana marina, dia lasa indray manao an-keriny. Manomboka amin’ny hafetsifetsena eny am-pilaharana, tsy mahandry ny anjara, sady tsy vonona hiandry. Rehefa tsy misongona, dia mandrombaka tsotra izao. Raha anaovana tsikera amin’iny dia mamaly amin’ny feo avo, na amin’ny feo iva (fa atao re ihany), hoe «ianao no miveraka ». Fahasahiana no anaran’izany !

Raha ela loatra izany, dia mangalatra ankitsirano. Ny atao hoe mangalatra, dia maka ny tsy an’ny tena. Fahasahiana no anaran’izany !

Rehefa hita fa na ny fangalarana aza tsy mahavoasazy, dia maninona moa raha andramana koa ny tsotsotra kokoa ? Ivadihana tsy misy hambahamba na ny teny natao na ny toky nomena na ny sonia norangotina, rehefa tojo hevitra metimety kokoa. Tsy misy vavolombelona hahamena-maso eo. Ny tody koa diso lalana mandrakariva. Fahasahiana no anaran’izany !

Rehefa tsy nananako hatramin’izay izany rehetra izany, dia tsy izao aho vao « hianatra » hiala amin’ny teny filamatro hoe « ireto telo ireto no ilaina : tahotra, henatra, hambo ». Tsy entiko mihoso-potaka sy mihosim-bovoka ny hajan'ny fianakaviako. Ny haja, izay tsy refesina amin'ny sora-bola (aseho na miseho). Zakaiko ny vokatry ny fifikirako amin’io.

Fahasahiana koa no anaran’izany !

 

07:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fahasahiana, haja | Comments (0) |  Facebook | | | |