Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 04 April 2017

Ô RY VAHOAKA

Izao no izy ry ambanilanitra,
 
Io zavatra rehetra amin'ny raharaham-panjakana io dia hita soa aman-tsara any amin'ny sehatra kelikely rehetra : ankohonana, fianakaviana, fiangonana, fokontany, toeram-piasana, ... Rehefa vondrombondron'olona e.
 
Ka asa na ny traikefa any amin'ny sehatra kely no entina any amin'ny sehatra lehibe, na ny mifamadika amin'izay. Fa izy roa miaraka dia mifamolavola tsara.
 
Hotsorina ny sary.
 
Misy ny vahoaka tsotra. Ireo maro an'isa. Raha fintinina, dia ry malain-kisahirana nefa manaiky hatao tohatra fiakarana. Ireo ilay mody voriana rehefa avy nanao dinika miafina ny komity. Efa fantatra ny tiana hampanekena an'ireo. Manoa ireo na ampandoavina vola, na ampiasaina ara-batana. Ireo ilay alaina sary sy feo aseho ny mpamatsy vola amam-pitaovana any dilambato.
 
Misy ny komity. Matetika dia manendry tena izy ireo. Ary matetika dia ny fitsinjovany ny tombontsoany manokana no fototry ny olana lazainy fa hovahana ka iantsoany fivoriana. Somary manan-katokona kokoa izy ireo fa ataony mpiantoka larony fotsiny ihany ny vahoaka. Mahay manavaka olona vitsivitsy ao anaty vahoaka ireo, ataony filan-kevitra sy mpanohana azy amin'ny lalana tiany hizorana. Olona somary to teny sy avo feo no ilaina amin'izany. Ailika moramora am-panajana ireo rehefa vita ny ilàna azy.
 
Misy ny soba komity. Olona roa na telo ao anaty komity ireo. Ireo ilay tena atidoha manao ny mangatsiaka sy ny mafana, ny ranonorana sy ny andro mibaliaka. Raha alahady no fotoana lazaina amin'ny vahoaka fa hivoriana, ireo kosa mahita fihaonana amin'ny alin'ny sabotsy mialoha. Ireo efa mahalala fa raha any andrefana no holazaina amin'ny vahoaka fa haleha, dia tsy ho any velively fa any atsimo no tena izy.
 
Ary farany, i Prezidà. Izy no tena higoka ny laza amam-boninahitra rehetra. Mody malemy tsy azo izay izy, fa i ramatoa vadiny no tena mikopaka ny afo hijolofotra tsara, an-kolaka na mivantana, miafinafina na an-karihary ...
 
Ka tsy izany va ?

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |