Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 18 March 2017

RY ZANAKA AM-PIELEZANA

Satria ianareo tsy mahatsiaro tanin-drazana raha tsy Fetin'ny taranaka na raharaham-pandevenana ... Ny ampahatelom-bokatra efa aterina eny am-baravaranareo.
 
Tsy ifanomezan-tsiny fa mahazaka maniraka ny filàn-dravinahitra ...
 
Fa ampahafantarina anareo hoe io vovo-tany atototrareo ny lalana io ange ka mivadika ho fotaka mandrevo toy ny fiompiana drakaka rehefa tratry ny orana.
 
Ka tsy hadalana ny namelàna ny lalana ho karaodrao-bato.
 
Tsy hadalana ny nanaovana ny hoe barrage de pluies, tsy misy fiarabe mahazo mandeha rehefa vanim-potoan'ny orana.
 
Tsy hadalana ny nanovàna ny kodiaran-tsarety ho fingotra.
 
Noho izany, aza miana-kendry manototra ranon-tany ny lalam-bahoaka mandavan-taona noho ny fandevenana ataonareo tsindraindray, soa ihany ... fa sahirana manarina ny fahavoazana nilaozanareo ny valala mpiandry fasana !

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tanindrazana, lalana, zanaka am-pielezana | Comments (0) |  Facebook | | | |