Saturday, 18 March 2017
RY ZANAKA AM-PIELEZANA
Satria ianareo tsy mahatsiaro tanin-drazana raha tsy Fetin'ny taranaka na raharaham-pandevenana ... Ny ampahatelom-bokatra efa aterina eny am-baravaranareo.
Tsy ifanomezan-tsiny fa mahazaka maniraka ny filàn-dravinahitra ...
Fa ampahafantarina anareo hoe io vovo-tany atototrareo ny lalana io ange ka mivadika ho fotaka mandrevo toy ny fiompiana drakaka rehefa tratry ny orana.
Ka tsy hadalana ny namelàna ny lalana ho karaodrao-bato.
Tsy hadalana ny nanaovana ny hoe barrage de pluies, tsy misy fiarabe mahazo mandeha rehefa vanim-potoan'ny orana.
Tsy hadalana ny nanovàna ny kodiaran-tsarety ho fingotra.
Noho izany, aza miana-kendry manototra ranon-tany ny lalam-bahoaka mandavan-taona noho ny fandevenana ataonareo tsindraindray, soa ihany ... fa sahirana manarina ny fahavoazana nilaozanareo ny valala mpiandry fasana !
00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tanindrazana, lalana, zanaka am-pielezana | Comments (0) | Facebook | | |