Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 10 November 2017

MANJAKADAHOLO

Misy ohabolana manao hoe "volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra". Dia misy koa milaza hoe very hasina toy ny volamena an'oron'ny kisoa...

Ka ny hena lasan'ny saka, leo ihany. Ny fidingin'ny rambony no tsy laitra. Ary ny vorona azon'adala, raha tsy maty dia mifohafoha volo.

Tonga eny imolotry ny manana aina rehetra eto Madagasikara ny karazana voambolana tsy hay dika nentin'ny karazana tolona. Ampiasain'ny bodo sy ny adala sy ny ondranondranana ary ny fetsy sy ny mahay rahateo. Ny demokrasia no tena maty rirotra indrindra sady foiben'ny fitakiana rehetra.

Dia mitaky tokoa ange ! Dia hoy aho hoe, raha izao habetsaky ny "manam-pahaizana" izao, indray andro any, ny zaza ao an-trano :

-hitaky compte de résultats amin'i dada sy neny

-hanakarama cabinet d'audit hanao tombana ny fitantanan'i neny tokantrano sy hanamarina ny kaontim-bolan'i dada any amin'ny banky

-hampiantso fivoriana hanapahana hoe iza amintsika no roa handeha amin'ilay fanasan'i dadatoa

-hametraka ultimatum amin'i dada sy neny hoe omenay 48h ianareo, ovay lehibebe io écran io fa efa niteny i Prezida hoe niakatra ny karaman'ny mpiasa, dia soloy koa ikala zaninn fa tsy tianay

-hamelatra banderole eo am-bavahady hoe aiza ny zonay hiteny malalaka

-hitokona tsy hihinan-kanina satria manao jadona i dada sy neny

-hiakatra télé sy radio mihitsy na hidina an-dalambe fa efa mahazaka débat

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: demokrasia azon'adaka | Comments (0) |  Facebook | | | |