Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 18 June 2018

NY ELA

Mianatra mandika teny aho rankizy.
 
Izao, hono, no fiovan’ny resaka arakaraka ny handrosoan’ny fotoana. Tapaka ny tsinaiko tamin’ilay fahasivy !!!
 
1-Alaiko sary an-tsaina ianao, nofinofy mahasondriana / Oadray, izao ve no tena izy ?
 
2-Na hitombo harena isika na hahantra / Ity koa velomim-potsiny !
 
3-Mba tantarao ahy hoe ny momba anao / Ianao koa tsy miresaka afa-tsy ny anao !
 
4-Tena tsara ianao, mahafatifaty foana / Mba metimety indray ianao androany !
 
5-Folo minitra dia vitany ny fanaovam-boloko ! / Efa enim-bolana izao tsy mbola voasolony foana ny ampoule ao an-dalantsara!
 
6-Tany aminao daholo ny maso rehetra androany, tsara loatra ianao / Tsy tsapanao ve fa anao irery ny fitenenana androany, mahamenatra olona !
 
7-Hanao week-end en amoureux any Ampefy / Hanao servisin-drafozana indray amin’ny sabotsy sy alahady
 
8-Entiko any amin’ny restaurant ianao rahariva / Inona no laoka ?
 
9-Inona kay no déodorant fampiasanao ? / Io misy alamo amin’ny sachet !
 
10-Izay fotsiny ve no sakafo hohaninao ? / Tokony hanao régime ange ianao e
 
11-Chanson préférée : “Iray minitra monja tsy eo anilanao” / “Sitrany solo”
 
12-Tsy andriko izay hihaonana amin’ny dada sy neninareo / Rahoviana ihany ireo no handeha e, mbola hijanona elaela ato amintsika angaha ?
 
13-Malahelo mafy aho rehefa handeha ianao / Mbola ato ihany angaha ianao ?
 
14-Tsy andriko izay hiverenanao / Ary toa tonga sahady ?
 
15-Mahafinaritra ahy ny firesakao mahitsy sy tsotra / Vulgaire loatra ianao indraindray
 
16-Manendrika anao ny akanjo mainty / Fa iza no maty ?
 
17-Ary natahotra tsy ho zanak’i Neny ianao, mahavariana ny fitovianareo mianaka / Tena ny reninao mihitsy no notahafinao, tsy mahagaga
 
18-Tena sabotsy toy izao indrindra ilay nihaonantsika voalohany / Izany ve, oviana tokoa moa iny ?
 
19-Hoentiko any amin’ny faran’ny tany ianao / Nentiny tamin’ny sangako aho
 
20-Tena adala aminao aho / Ary aza manadala ahy!!!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |