Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 28 December 2017

MODY MANAO

"Efa nanao aho 'zay!"

"Tsy mora ny manao zavatra"

"Ny fandraisana anjara no zava-dehibe"

Dia ahoana koa? Fa inona ihany kay no mba zavatra vitanao tsara? Mba misy toky omenao am-pisainana ve eo amin'izay rehetra misy anao? Fa angaha moa raha tafateny noho ny hafanam-po ianao, dia tsy maintsy atao na mety na tsy mety? Efa tsy resahako ny fampanantenana poaka aty rehetra nataonao hatreny am-boalohany. Efa ela no nahafantarako fa hazo boboka tsy azo ianteherana ianao. Efa noporofoinao fa tsy menatra mivadika ianao, mitsipaka lakana nitana, mandaka tohatra niakarana, an-karihary tsy misy tahotra na henatra. Dia mbola tohizanao ny kitoatoanao.

Tsy haiko aloha ny hafa. Dia tsy haiko koa na impiry teo amin'ny fiainanao ianao no mba nandray kifafa. Tsy haiko raha fantatrao fa kikisana manontolo ny gorodona vao hosoran-tsavoka. Tsy haiko raha fantatrao fa isan'andro aho dia mifoha alohan'ny masoandro. Mino aho fa tsy fantatrao fa mandany adiny efatra isan'andro aho, eny an-dalana fotsiny. Vao mainka tsy fantatrao fa matetika izahay no mitankizina rehefa tonga ao an-trano, tena sasa-dahasa isan-kariva, tsy mahavita akory manenjika fanadiovana ny trano sy ny lambanay ... Tsy itarainana aminao fa tsy misy fialan-tsiny azo atao raha diso fotoana any amin'ny toeram-piasana. Tsy tantaraina anao fa mbola angalana hanaovana asa enti-mody ny torimaso. Tsy atao imasonao fa zara raha voadio izany tokantrano sy ny tontolo manodidina izany na dia efa ifanomezan-tanana isan'andro aza. Hisafoaka ianao raha ilazako fa fady anay ny atao hoe fanadiovana faobe (grand ménage) satria tokony ho fihetsika sy fahazarana mandavan-taona ny fahadiovana, fidiovana, fanadiovana fa tsy hihaingo ambony tsikoko sy hanemitra ivelany toy ny fasana.

Dia io ianao fa hoe hanokana andro iray tsy efatra amby roapolo ora hanaovana fanadiovana miaraka! Ho vita ny any an-tsekoly sy any amin'ny toeram-piasana satria tsy maintsy vonjena ny ora any na hanidinana aza. Ny tapak'andro maraina dia ho vita angamba ny baiko. Dia hamonjy fodiana ny antoandro. Raha hihazakazaka aho dia mety ho tafody any amin'ny telo ora tolakandro any ho any. Hanadio ny ao an-tranoko sa hanao asam-pokonolona?

Tsy maintsy hadio ho azo itarafana ihany i Gasikara, tsy hotehafin-dalitra intsony Iarivo malala. Alarobia tsy miverina io, asa ny inona no tsy hiverina. Ny loto? Ny Pesta? Ny hetsika?

Tsy haiko aloha fa efa mba nitana ny teniny kosa izy e!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ala safay | Comments (0) |  Facebook | | | |