Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 25 September 2017

NY SOTRO

Inona avy àry no azo ampiasàna ny sotro ?
 
Raha ny anarany dia tokony ho finomana rano izy io, na fisoitra ato. Raha lava tango ny sotrobe dia sady andoarana vary no ikapohana alika. Ny fourchette dia notsotsorin'ny gasy hoe sotro rovitra ! Mahay ireto mpiray tanindrazana amiko ireto kah.
 
Indray alin'ny faramparan'ny volana septembre 2017, dia vaky ny fonjan'Ambatondrazaka ka gadra 11 no tafaporitsaka. Nokikisany tamin'ny sotro, hono, ny rindrina !
 
Dia mba lasa kely ny saina :
-fa dia rindrina inona

-dia natory maty ny mpiandry

-dia sotro inox sa ilay vita Ambatolampy

-dia sotro firy

-dia navela tao ve ny sotro, "arme(s) du crime"

-dia hiakatra fitsarana zao ny sotro (pièces à conviction)
 
Tsy système D fa système S!

17:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sotro, évasion, fonja vaky | Comments (0) |  Facebook | | | |