Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 30 October 2017

ADIN-DRENIN-KISOA

Misahotaka tanteraka ilay fomba fitondram-panjakana. Misy oha-pitenenana manao hoe “misavoritaka toy ny adin-drenin-kisoa”

Ity misy ampahan-desona. Mba mety ilaina amin'ny fiainana andavanandro ihany toy ilay rehefa manontany tena hoe nahoana ikala zaninn no sahy maniratsira ahy.

Tsy to teny. Tsy to teny mihitsy sa tsy to teny intsony. Toa izay rehetra lazaina, na didy na lalàna, mainka moa fa hoe mba vinavina, dia tsy maintsy iadian-kevitra sy iadiam-barotra. Marimaritra iraisana e, tsy mafana tsy mangatsiaka fa manavinavy.

Karazana "autorité" telo no horesahana. Tsy hitako izay handikàna izany, fahefana sa fahafahana hoekena, hotoavina, ... ?

1-Autorité statutaire : manome autorité ahy ny statut-ko, izany hoe ny toerako eo amin'ilay fiarahana monina. Ray na reny, zoky, mpampiasa, mpitondra ... Noho izay toerako izay dia manaiky "ahy" ho azy ireo izay mifandraika amin'izay. Tsy mila miteny sy mampahatsiahy aho hoe "reninao ange izaho e", "sefonao ange izaho e", "patron-nao ange izaho e", "pasiteranao ange izao e". Raha voatery manao an'izany aho dia tokony hieritreritra.

2-Autorité de compétence : manome autorité ahy ny "fahaizako" amin'izay sehatra ifampiresahana. Raha ben'ny fokontany aho dia voaporofo sy hita ary ekena fa "haiko" ilay asako io ary mendrika an'ilay toerana aho. Noho izay fahaizako tsy iadian-kevitra izay dia manaiky ahy tsy mila fandresen-dahatra ny olona mifanitsy amin'izay. Raha voatery hanao démonstration sy maka mpanohana aho dia tokony hieritreritra.

3-Autorité naturelle : manome autorité ahy ny maha-izaho ahy fotsiny izao. Ny tsanganako? Ny endriko? Ny feoko? Ny tantarako? Tsy voafaritra mihitsy hoe ny inona fa izaho fotsiny mihitsy. Tsy misy fianarana na ezaka azoko atao na tokony hataoko fa raha vao eo mihitsy aho, dia manaraka ny olona. Avy amiko ihany no mety hahavery an'io. Ary rehefa very indray mandeha io dia tsy voaavotra intsony.

Raha mitambatra amin'ny olona iray ireo telo ireo, dia tena tsara tokoa. Tsy azo ianarana izany fa ananana fotsiny amin'izao. Na hanao copie-collage aza, dia tsinjo eny foana ny hosoka. Vao mainka very ny autorité kely mba nananana.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: autorités | Comments (0) |  Facebook | | | |