Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 07 April 2017

TSY ZANAK'OMBY IANAO ANAKA

Ny zanak'omby, hono, no tsy ampianarin-domano. Fa very inona moa ny omby raha sanatria ka rendriky ny ranomody na rotiky ny voay ny zanany?
 
Tsy havelako hasavoivoin'ny onjam-piainana kosa ianao! Etsy mihitsy hampianariko "milomano". Ary tsy rehefa rano dia ho azo irobohana. Aza menatra mampiasa bouée rehefa mahatsiaro fahasahiranana.
 
Piso a, mba mahalala tsy tiana koa indraindray e.
 
Aza mianjoria mitsapatsapa ny halalin'ny rano rehefa TSIA no miafina ao am-badiky ny fanginana. Na lafiny inona io na inona.
 
Raha hoterena holazaina amin'ny tenin-drazantsika ilay izy dia hoe mahaiza mamaky izay hevitra miafina eny anelanelan'ny andalan-tsoratra. Savoir lire entre les lignes.
 
Matetika ange, efa ny tena endrika no aseho sy hitanao fa minia mikimpy ianao. Tsy saron-tava io fa tena izy!
Aza miandry ho lavo vao hianatra hamindra. Aza miandry ho kenda vao hianatra hitsako. Henoy ny fihetseham-ponao. Aza mety ho sodokan'ny rotsirotsin'ny nofinofy, na hiandry vasoka noho ny fanantenana adala. Raha ela loatra ny akoho no tsy maneno, hevero ho efa lasan'ny kary.
 
Sahia mamarana. Dia manomboha vaovao. Ary aza homan-kena tsy fantatra anarana na mandady amin'ny hazo tsy fantatra. Mainka moa fa hisoka amin'ny rano tambiazina, sanatria toa vorona diso farihy ...
 
Aza dia mora miesona anaka. Ary fidifidio hoy aho ny olona ekenao hanambaka sy hampijaly anao! Raha mety aminao ve moa, izaho tsy sarotiny fa ianao no haratra. Ary ny ratranao dia feriko hoy ny tononkiran'i #Erick_Manana ...
 
Piso a, mba mahalala tsy tiana ho'aho indraindray e.

09:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: cobaye | Comments (0) |  Facebook | | | |