Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 15 April 2017

TIA NAMANA

Dia inty àry ilay “Aimer son prochain” raha toa ka amin’ny teny gasy. Dia izaho ihany koa no namorona azy
 
Mitari-dalana azy eny an-dalana ombàny,
Mamela ny hadisoany, mitondra fanampiana,
Ho namany tokoa hatrany am-piafarany,
Mitsangana ho fefy raha sendra hakiviana.
 
Azony izaràna ny hafaliany sy ny tsetra,
Ny toloko tsy niloatra na ny sento indraindray ;
Mandre sy mahalala ny hiakany rehetra,
Ny lanja sy ny dikan’ny topimaso iray.
 
Mandefitra amin’izay teniteny tsy tsaroana.
Misy tsy itoviana : ekena ihany koa,
Ny tombontsoan’ny tena tsy maintsy hadinoina
Fa io fitiavana io tsy iandrasam-balisoa.
 
Manao izay hahitany tsy an-kiteniteny
Ny fitiavan’Andriamanitra ivelomantsika,
Tsy amin-dresabe na kabary lavareny
Fa tena fitoriana amin’ny endrika sariaka.
 
Rondro RAKOTOBE

14:48 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tia namana, aimer son prochain | Comments (0) |  Facebook | | | |