Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 20 April 2017

FAMOIZANA

Lainga raha hisy izay fanadinoana...
Tsy zaza matory io ka rotsirotsiana dia mety ho rendrik'izay torimaso...

Tsy tadidiko ny nanoratra izany andalan-teny izany.

Azo adika hoe Famoizana ve ny hoe "faire le deuil" ?

Asa irery izy io. Travail personnel. Mila atrehina ny ratram-po fa tsy andosirana. Maharary foana ny fisarahana, na inona na inona antony. Na mbola hihaona na mandrakizay.

Tsy hoe hokolokoloina ny alahelo, fa atao vaksiny ny fo amam-panahy.

Aza asitrika ny sary. Henoy sy hirao ny hira niarahana. Aza rovitina ny taratasy nosoratana. Aza ovaina ny lohatenin-tononkalo. Aza ihodivirana ny lalana faleha. Aza idifiana ny namana niraisana. Aza ovaina ny fahazarana kely. Voleo voninkazo ny fasana ilevenany. Raha maty izy.

Fa toy ny maty ihany koa ny velona tsy tokony hihaona, rehefa mifarana ny lalana niraisana...
 
Dia handry am-piadanana ny fahatsiarovana ka tsy hiteraka alahelo.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: famoizana | Comments (0) |  Facebook | | | |