Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 27 May 2017

COUCOU KELY

(Taiza koa no nahaizantsika an'io fomba fiteny io e? Mankaleo)
 
Izaho tsy dia mpampiankina fanehoam-pitiavana amin'ny tetiandro.
 
Saingy androany dia hoy aho :
 
"Tsy azonao an-tsaina ny lanja sy toeranao eto amin'ny fiainako. Tsy feno ny hafaliako raha tsy eo ianao io, raha tsy eo ianareo tsirairay avy ireo, lavitra any ny sasany, akaiky eto ny hafa, samy tia ahy araka ny fombany avy ...
Tsy àry koa anefa ianareo, ary tsy toy izao, fa nisy kibo nitoerana avokoa, nisy nitaiza sy nikolo, hazo vanon-ko lakana noho ny tany nanirianareo.
Miombom-pahatsiarovana aminareo efa nilaozan-dreny aho. Izay no fantatry ny Mpandahatra fa mahasoa.
Ho anareo mbola manana azy kosa, dia mba ampitao any ny fisaorako azy nananako anareo, ampitao any ny firarian-tsoa avy amiko, ho ela velona anaty hafaliana, ampitao amin'i Neny, Mama, Maman ary Rabôfînareo tsirairay avy; tsy voatery amin'izao hoe fetin'ny Reny izao, fa rehefa sendra tadidinareo.
 
Mankasitraka".

06:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fête des mères, fetin'ny reny | Comments (0) |  Facebook | | | |