Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 01 May 2017

MITENENA

Omena ahy ny fitenenana dia raisiko amim-panajana,
Raisiko amim-po tsy miangatra
Fa tena manan-kolazaina.

Raha ny lasa no hiverenana,
Dia tsy nisy nilazana an'ireo hevitra mitambatra
Misavovona ao an-tsaina.
 
Fa nomena ahy ny sehatra hahafahako mizara
Izato hevitr'olon-tsotra tsy ao anaty fanjakana,
Mba mijery sy mahita :
Na ny fomba mamohehatra,
na ny fikasana tsara itondrana ny tanàna
Tsy honohonon-ko tafita …
 
Dia miteny aho ka tsy miahotra,
Angamba tsy miteny irery fa mba misy iray mandre,
Misy mba mihaino ihany ?

Dia miteny aho, tsisy tahotra.
Mino fa tsy ho aina very ireo voalaza marobe
Ka ho raraka aman-tany.
 
Ny fahafahako miteny
Tsy hoentiko hampiseho masoandro ny raki-bolan-teny ratsiko
Sy fahaizako ompa reny
Hihantsiana isan'andro hanaovako ny valifatiko !
 
Tena azoko natao ny nanafina ny anarako
Raha kanosa sady malina,
Dia hiteny an-katakonana ;

Fa mbola resy lahatra aho hoe izany fahafahako
Tsy hoentiko mietry lalina hanompana sy hanozonana.
Fa ho teny hitondra soa
Mba handrindra fa tsy handrava
an'izay sisa tsy nikoa tamin'ny adiady lava …
 
Tao am-poko tao ?
Ny tolona dia ho an'ny Malagasy,
Ho an'i Madagasikara.

Tsy noho izay anaran'olona
Na anaran'ankolafy te hametraka tantara !
 
Ka dia sahy aho ka mijoro,
Gasy iray tsy miafina endrika ;
Dia miteny aho mba hanoro sao isika hiara-drendrika.
 
Atolotra ahy ny fitenenana,
Omena anao ny fitenenana,
Ka mitenena tsy hanenenana !

07:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: anao ny fitenenana | Comments (0) |  Facebook | | | |