Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 21 April 2017

FIRY, OHATRINONA

Rehefa nataoko ny "kaonty", dia io taranja fikajiana sy fikaontiana io, miaraka amin'ireto tarehimarika ireto no tena poizina indrindra!
 
Firy taona aho? Hafiriana sisa, sa mbola misy hafiriana no hiainako? Efa oviana aho no niandry? Impiry aho no nangina? Ohatrinona no ho sandan'ity ataoko ity? Sao mba matiantoka? Ary manana trano firy ianao? Hay! Fa bac plus firy izy iny?
 
Mbola hitako ho mampilamindamina ny fiainako, ilay izaho somary maty eritreritra tsy zatra manisaisa, na ny mikasika ahy, indrindra moa ny tsy mikasika ahy. Izaho rahateo, tsy dia manana hoisaina loatra ihany koa, na inona io na inona...
 
Mifandimby ny taona. Tsy hisy hiova "firy" fa hanohy hanoratra tsy hanisy daty hatrany!
 
Satria hatreto, izay voasoratra, tsy mbola resin'ny fotoana sy ny elanelan-tany ...

09:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: manisa, mikaonty | Comments (0) |  Facebook | | | |