Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 24 March 2017

MBA MIHERIKEREHA

Aleo hataon'ny olona hoe tanavo sy tankapa ary shañàna, toy izay haradratra fahatany na ho fatifaty foana eny an-dalam-be eny.
 
Raha hiampita arabe, dia jereo daholo ny havia sy havanana fa aza miantehitra amin'ny hoe "sens unique" ity, na "sens interdit" avy eto.
 
Tsy ampoizinao akory fa mety hisy zavatra haingam-pandeha noho ianao hipoitra tampoka avy any amin'izay tsy eritreretinao. Mety ho fiarakodia io, mety ho kalesa, indrindra moa fa bisikileta sy môtô.
 
Tandremo ka hoe handeha avy ato ankavanan'ireto fiara mitanjozotra ireto aho fa tsy azo atao ny misongona avy ankavanana ka tsy hisy hipoitra avy any. Tsia. Diso ianao. Mety hisy môtô na bisikileta hisosososo avy any dia hifaoka anao.
 
Na hoe mba hanararaotra hiampita aho amin'izao fitohanan'ny fiara izao. Ny fiara no hitanao fa any anelanelany any mety hisy môtô na bisikileta hanao ankisisika dia ho voadona ianao. Ary dia hiala tsiny sy hanao azafady aminao fotsiny ireo, raha sendra mba nahazo fitaizana kely. Raha tsy izany dia sady hiriotra hanohy ny diany izy no hanompa anao.
 
Ka aleo mba midraikodraiko ihany, mitodika havia sy havanana, miherika aloha sy aoriana rehefa eny an-dalam-be fa raha voadonan'ny posy ange, hono, ka tsy mahazo vady e!
 
Bozy Boléta
(in Jinjany kely, Midi Madagasikara 2006)

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely | Comments (0) |  Facebook | | | |