Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 15 March 2017

IZAHO KOA VE, SA IZAHO VE NO ...

Amiko ihany no apetrako ny fanontaniana. Satria izaho ihany no azoko itompoana teny fantatra. Hono ho'aho ry tenako :
 
1-Rehefa tojo ady sarotra ve ianao dia hiteny hoe "ka hangalatra aho izany? Sa hanao makorelina?". Samy hafa manko ny hoe manao makorelina sy ny hoe mivaro-tena.
 
2-Noho ny tsy fatokisanao ny fahefam-panjakana ve dia handray anjara mavitrika amin'ny fitsaram-bahoaka ianao?
 
3-Mety aminao ve ilay hoe azo atao ny zava-drehetra rehefa tsy misy mpahita?
 
4-Raha izao ny vadinao no tonga mpitondra ambony (na tampoka na tsia), hiova famindra hatraiza ianao?
 
5-Mba efa mby tao an-tsainao ve ny vavaka nampianarina anao milaza hoe omeo ahy anio ny hanina sahaza ahy?
 
7-Satria ve malalaka ny fanehoan-kevitra dia hoteneninao daholo izay hitsin'ny vavanao?
 
8-Endri-pitiavan-tanindrazana ve ny fananganana ady amin'ny mpiavy?
 
9-Raha sendra nahazo “j’aime” vitsivitsy sy nanangona “namana tsy fantatra” maromaro amin’ny tambazotran-tserasera ve ianao dia hihevi-tena ho “malaza” sy “be mpankasitraka” ka hisosososo hilatsaka hofidina?
 
10-Efa nieritreritra ve ianao hoe misoratra eny an-tampon-kandrinao fa ianao ilay vatolampy moana azon'ny zava-manana aina rehetra anaovana maloto?...
 
11-...

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: je me demande | Comments (0) |  Facebook | | | |