Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 10 February 2017

INY VOLANA INY

Tsy hoe homeko anao ny volana.
 
Tsy angano angano ity, fa izao ilay tantara :

Malahelo be aho rehefa tsy eo i Dada. Mandeha mamita iraka any amin'ny faritany hafa izy amin'io. Alohan'ny handehanany dia tsentsefiny kely ny ankihikelin-tanako. Amin'izay, hono, aho tsy dia malahelo loatra! Izaho kosa, miondana ny akanjony.
 
Indray andro, hoy izy tamiko : io volana io retsy dia hitan'ny rehetra eto Madagasikara. Ka rehefa mipoitra izy, dia miara-mijery azy isika, amin'ny ora mitovy ...
 
Dia toy ny mifampijery ihany ...
 
Dada ô, izaho ange tsy niova fa toy ny mbola zaza, ilay nihanta taminao ...
 
Dia amin'ny 10 février izany, amin'ny telo ora maraina eo ho eo ...
 
Ikala Bozy
(La Princesse Sur Un Pois, hoy ianao...)
 
Ary dia nisy zava-nitranga ny marain'akohon'ny 10 février 2017 ... Tsy takatry ny saina.

03:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: volana, dada | Comments (0) |  Facebook | | | |