Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 30 June 2017

QUELLE VALEUR ...

Raha mandainga amin'ny hafa, tsy vendrana mandavan-taona izy ; fa ny mandainga amin'ny tena no tena raharaha. Mamita-tena no filaza azy. Ary dia tsy laitra akisoka mihitsy.

Rafotsy a, tsy mahadiso ny miaiky hoe tsy manana aho, kahidy aho, kamovavy aho, tsy mahava-tena aho. Fa aza mialokaloka amin'ny hoe tsotra aho, tsotsotra aho, naturelle aho, tsy misandoka aho, ianareo emballage fotsiny! Dia tena izany tokoa ve ...

Raha nanamboatra an'izay namboariny Andriamanitra, dia nahita fa "tsara izany". Tsara ny olona, isan'izany ianao. Fa nahoana àry no saronana akanjo ? Takona ao ilay hatsarana voa-janahary.

Rafotsy a, mba karakarao ilay volo sy endrika. Rehefa madio dia ampy hoy ianao. Eny àry e.

Mba lasa fotsiny ho'aho ny saiko nahatsiaro ilay hoe "mise en valeur", "valeur ajoutée", "ministeran'ny fanajariana ny tany", ...

Azafady fa hay moa tena nampitovy ny tsy tokony hampitahaina! Ianao kosa ve dia halahatra amin'ny entana misy TVA sy ny réforme agraire, aménagement du territoire ...

00:02 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next