Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 25 June 2017

CHARLES AZNAVOUR

... raha tsy maty dia mifohafoha volo.
 
Indro àry ny “AIZA NY ZANA-DRAZANA” raha amin'ny tenin-gasy.
Tsy iadian-kevitra ny fironana sy ny fitiavana, ary ho resaka tsy manam-piafarana satria samy manana ny ataony hoe tsara sy mety. Saingy misy "tsara" tsy maintsy hiavaka sy ho voaavaka foana ao anatin'ny sarambaben'ny kintana. Ny "tsara" dia miavaka amin'ny maha-izy azy mihitsy, amin'ny tenany, ny fiangaliany ny ataony ary ny endrika fanehoany sy fisehoany. Misy dian-tanana tsy misy mpanana mipetaka amin'ny sangan'asany. Maro ny mpaka tahaka saingy tsy azo tahaka mihitsy ny fanahy ao anatin'ireny famoronana ireny. Ny mpahalala ny "tsara" dia mahay manavaka ny hosoka sy ny tena izy.
Mba hiresaka mariazy. Tsy ilay heviny hoe fanambadiana (na fivadiana na fampivadiana) fa ilay fihetsiketsehana atao eo am-panomanana ny fankalazana ilay andro fampakaram-bady.
Taona maromaro izao, zary lamaody ity hoe mariazy misy "thème". Lohahevitra no dikan'izany. Vorona azon’adala. Mahazo aina tokoa ireo karazana mpandraharaha samihafa, ny matihanina sy ny mpanararaotra toy itony mpisora-tena ho wedding-planners tampotampoka maniry toy ny bozaka. Henika ny tany ary samy araka ny karazany avy. Samy manao araka izay saim-pantany, samy mametraka ny ataony hoe fenitra (norme) ...
Dia sahaza ny kitapom-bola rehetra ihany koa ary mandroboka ny saranga rehetra. Dia ganagana mandro eo avokoa.
Tokony ho tsaroana fotsiny fa :
•"thème" dia lohahevitra, tsy loko (couleur) fotsiny na loko (couleur) ihany.
•tena mahatsikaiky ny fanaovana rebik'ondry (sa omby), mampijery fampisehoana hafa zary manakona ireo tompon-draharaha tena anton'ny lanonana. Indraindray mampahatsiaro lanonana fanao amin’ny main-tany eny ambanivohitra eny ...
•izay miseho sy aseho amin'ny andron'ny fampakaram-bady dia taratr'ilay tokantrano vao aorina, amin'ny endriny sy ny votoatiny!
•ny havana aman-tsakaiza manotrona dia tokony ho afaka haneho araka ny vokatry ny fony sy ny fitiavany, ny fiombonany hafaliana amin'ireo mpivady vao.
•ny fanasana dia tokony tsy hampisalasala kely akory fa mampaniry hanaiky amin-kafanam-po eo no ho eo hoe "ho avy tokoa aho".
Inona anefa no matetika hita:
"Tsodrano ara-pomba malagasy"
"Liste de mariage chez Ikea"
"Thème Festival de Cannes"
"Raha misy tsy fahafahana dia iangaviana mba hampandre alohan'ny ... "
 
Fepetra re izao. Nefa dia raharahan'ny mpianakavy ilay izy, alohan'ny zava-drehetra!
Amin’ny fotoana sasany, dia soa ihany fa "le ridicule ne tue pas" hoy ny vazaha.
Farany ry mpanambady, manontania tena hoe "isika no mivady" sa "ampivadiana isika". Dia mitondrà tena araka izay valiny nosafidianareo.
Tsarovy koa anefa, fa tsy rehefa hoe Tsotra dia Kitoatoa ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fepetra mariazy, thèmes | Comments (0) |  Facebook | | | |