Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 22 June 2017

VAIN-DRAHALAHY

Ny foko angamba no vita amin'ny labozia ka mora miraraka ompana raha vao tratry ny hafanana!
 
Mitohana izaitsizy ity fifamoivoizana. Noho ny antony betsaka efa iaraha-mahalala. Fa nanampy trotraka ity fiarakodia somary efa antitrantitra, nefa hita ho tsy mbola foin'ny tompony. Maty àry ity izy. Ilay fiara fa tsy ilay tompony. Tera-tsemboka mihitsy ilay rangahy efa lehibe nanosika azy naka sisiny.
 
Dia nandalo ity anankiray sady niteny hoe "ario amin'izay rapapany fa efa tsy izy intsony ah. Na amidio amin'ny kilao fa mbola lafo gala io".
 
Peugeot 404 ilay fiara. Tombanan'ny manam-pahaizana ho 1000 ariary.
 
Tena mba niontana kosa ny foko!

19:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: harena sy fananany | Comments (0) |  Facebook | | | |