Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 30 July 2017

EFA IZAY FOANA KAY!

Raha 104 taona taorian'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny Mpanolo- tsaina, no.39, juillet 1913, no mbola teo Caleb RAZAFIMINO, dia asa inona re no nanohizany an'ity. Ho notohizany fotsiny satria dia tsy niova firy Ramalagasy !

NY TOE-TSAINA MALAGASY HITA AMIN'NY MOZIKANY

Firenena tia hira sy mahay mihira ny Malagasy, sady malaky mandray no manana sofina matsilo amin'ny fihainoana sy fanavahana ny feo. Fahofahon'ny fiainan'ny Malagasy ny hira ka saika re matetika ao an-tranony. Raha misy hasoavana, ny fisian'ny hira na zava-maneno no heveriny ho fahatanteraham-piravoravoana indrindra. Rehefa mivory ny mpianakavy na tafahaona maromaro ny mpisakaiza, dia hira sy zavamaneno no isan'ny fanalana andro.

Tsy ravaky ny fifaliana ihany anefa ny hira amin'ny Malagasy, fa sakaizany amin'ny alahelo koa. Mivoaka tsimoramora eo am-bavany ny kalokalo madinika rehefa injay manimanina izy. Na dia tamin'ny fahoriana lalin'ny fahafatesana aza, dia tonga tao koa ny sasy sy ny zavamaneno. Tsy mba mozika maotina sy mangina toy ny requiem an-dry Mozart, na mampalahelo mampanjombona toy ny marches funèbres an-dry Hændel na ry Chopin, izay natao hahavelona eritreritra ny velona; fa matetika feo manakoako sy mireondreona no ataony mba hanome voninahitra ny maty sy hamono ny eritreritry ny velona.

Fa na dia tia mozika aza ny Malagasy, tsy nahafinaritra azy daholo rehefa mety ho tiona sy feo.

1-Be sasiny
Raha vao hanomboka hitendry ny zatovo malagasy ka tsy manaraka naoty dia alefany hikaretsadretsaka hanao accords vitsivitsy aloha ny rantsany. Izay no ataony hoe sasiny. Toy izany koa eny amin'ny lanonana. Alohan'ny hanombohan'ny tena hira na dihy, dia manao feo tsy misy tonony sy mitehatehaka eo aloha ny mpihira. Sasin-tehaka izay. Ary amin'ny zava-drehetra dia tia sasiny ny Malagasy, indrindra amin'ny resaka sy ny kabary.

2-Be filatro sy be haingo
Be naoty misisika atao angolan-kira ny hira malagasy. Izay no ataony hoe filatro. Raha vao mandeha ny mozika ka samy gasy no eo, dia raikitra ny hoe filatroy kely ange, angolay kely. Mahafinaritra ihany ny feo miolaka, fa rehefa diso be loatra dia manova tanteraka ny tian'ny mpamorona natao. Tsy ny mozika ihany fa amin'ny asan-tanany rehetra, dia tia ravadravaka madinika ny gasy. Na sary hosodoko io na didy akanjo na lahateny rahateo.

3-Mientanentana
Ny Malagasy fahiny sy ny any anindrana ankehitriny no nanao hira mitaraindraina. Raha ny tena izy, tsy tia hira mitoreoreo, tsy tia tiona grégorien ny gasy, na ny mineur aza dia tsy tian'ny sofiny fa lazainy "hiran' Androrosy". Hafa ny mozika mahafinaritra sy manetsika azy ankehitriny : ny hira mampientanentana, ny velona rythme tsara, ny mafy accent, ny mahery fianjerazera, ny mandihindihy somary famindrana.

Tsy faharisihana ihany no lazain'io mozika mientanentana io, fa toe-tsaina tsy mahatombina sy miainga-ainga koa. Mora tai-javatra, mora miova hevitra, fa tsy mahajoro misain-dehilahy lehibe. Raha vao mahita zavatra dia tsy mahatoetra amin'ny an'ny tena, fa miombotra faingana ka mandray izay vaovao. Tsy voadinika akory, tsy fantatra na hahasoa na tsia, fa satria vaovao ka dia petahana. Akory ny hafainganan'ny sasany handray fomba sy hevitra vaovao, na dia tsy mbola hita porofo mazava aza. Heveriny fa ny fandraisana ireny haingana no tena fandrosoana.

4-Ta hampiseho tena
Amin'ny hira matetika, misy fizaràna efatra : tonera, toreby, fasiny ary beso. Fa vitsy amin'ny Malagasy no mety hanaraka ny tena anjarany. Tsy mety hanara-dalàna fa izay mahafinaritra no atao. Mitsatsaingoka maka ny anjaran'ny sasany. Ny antony dia te hampiseho ny tenany izy, tiany ho re ny feony. Mamonjy ny feo hafa azony isehoana izy. Very ny expression mafy sy malemy. Manimba ny hira ataon'ny Malagasy izany. Izao no toetra ratsy hita taratra : tsy mahay mifanaja, tsy mahay mifanoa, tsy mahay mifanaraka, tsy mahay mifanampy.

5-Miteny amin'ny fo sy manetsi-pitiavana
Saika fomban'ny Malagasy rehetra io. Dia poretin'izay koa ny mpamoron-kira : manenjika izay tian'ny olona. Mahakinga ny manetsika fitiavana, fangorakorahana, mahaontsaontsa sy miteny amin'ny fo, mamelona passions. Izany no maro mpitia. Tsy mbola hain'ny Malagasy loatra ny manetsiketsika ny fiheveran'ny saina, ny mikasikasika zavatra sarotra, ny mitantara ny fisehoan-javatra lehibe, ny midera ny hery mahagaga eo amin'ny natiora.

Mampalahelo fa ny fototry ny poésie sy ny tiona malagasy dia saika tsy misy afa-tsy fiventesana fitiavana!

Ny miteny amin'ny fo no azon'ny Malagasy kokoa noho ny mampiasa ny saina. Izay manohintohina ny fo no azontsika kokoa noho ny mampanaiky ny saina. Tsy tia ady hevitra lalina loatra amin'ny filozofy isika, na fikarohana zavatra manahirana ny saina. Ny maka tahaka taozavatra mahafinaritra, ny mandahatra teny mirararara, ny manao tononkira, izany no manavanana antsika kokoa.

Izany hoe firenena artistique isika fa tsy philosophique.

Caleb RAZAFIMINO

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mozika malagasy, toe-tsaina, caleb razafimino | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next