Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 27 July 2017

HAFATRA

Raha hanao fitsapan-kevi-bahoaka angamba ny amin'ny tononkalon'i Rado (Georges Andriamanantena) be mpitia indrindra dia ilay miandoha amin'ny hoe "Ho any ianao kanefa ..."
 
Mba efa ela koa iny, haiko tsianjery, efa novaliako aza, fa izao aho vao manontany tena hoe "haninona any moa ity ilay nohafarana, dia iza izy io ?"
 
Dia izao izany.

Raha ho any ianao
Dia mba iangaviako hitondra izay mba hafatro.
Ampahafantaro azy ny antom-pijaliako
Mitambesatra ao an-tratrako.
Mba lazao azy fa izy hono hoe
Tsy nampahory anao,
Tsy tao an-tsainy akory na ny hanome adin-tsaina ho anao.
Io ranomasoko io mijoy mandavan-taona
Noho ny aminay,
Ampahafantaro azy ny foko izay misaona
Ny nisy hatramin'izay.
Raha manontany izy dia lazao ny marina :
Tsy levona ao am-poko ny momba azy rehetra
Fa toy ny tsiahy natory ka afaka hiarina,
Ny fahatsiarovako azy : tsy lasa fa mitoetra.
Ny taratasy rehetra nifandefasanay
Lazao fa mbola eto,
Nataoko tsara pirina fa tsy mbola may ...
Na ny endri-maloko noho ny adin-tsaina,
Na ny ranomasoko mampiferona aina :
Aza afenina azy.
Etsy kely koa hafarako ihany ianao,
Tantarao any aminy izao hitanao izao :
Ny toetry ny efitranoko no hoentinao milaza
Fa izaho izay monina eto, ory saina sy fanahy ...
Ity voninkazo ity na mavokely aza,
Mitory ny fisaonako ny fandaozany ahy.
Lazao any aminy any fa eto an-doha-fandriako
Dia mbola sariny ihany no miankin-drindrina eo
Miandry ny hiverenany hamoha ny fifaliako.
Izay no hafatrafatra asaiko entinao
Ka dia mba ampitao;
Izaho dia manantena fa tsy ho ianao intsony
No hanelanelana ny foko sy ny fony
F'izaho sy izy mihitsy no hifanatri-tava
Hamoha ny saika rava ...
Dia soava dia indrindra sy mampamangy azy.
Arindrino mora io varavarako io
Fa ... hivavaka aho ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: hafatra, rado, georges andriamanantena, valin-kafatra | Comments (0) |  Facebook | | | |