Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 16 June 2017

VENTE FLASH DE CHAT

Ohatra ny tsy dia mahafa-po ahy intsony ilay asa fameloman-tena nataoko hatrizay fa aleo mba asiana “hetsika” hafa. Vente flash ilay izy raha ny tena marina.
 
Manangana trano heva afaka mitety vohitra etsy amoron-drano aho, dia ao no atao ny bizna. Asiako sora-baventy mahasarika eo ivelany, dia maro no ho tratry ny hagagana ka ho liana hiandrandra misimisy kokoa ao anatiny.
 
Mba ampianarina miandrandra ihany koa ny olona indraindray fa tsy dia hiondri-dava hiandry kitapo latsaka etsy sy eroa. Mba miandrandra zavatra tsy ampoizina sy tsy hay hazavaina, ilay atao hoe Fahagagana.
 
Azo atao tokoa manko ny mamorona ariary zato ao am-pandriana ao. Rehefa tena mino, rehefa tena manonofinofy amin’ny faharesen-dahatra tanteraka faran’izay mafy, dia henon’ny any am-para hatoka izany ka tanteraka ho azy.
 
Marina e. Dokotera mihitsy no mampianatra an’izany.
 
Dia manampy an’izay, mila manatona ny trano hevako, fa rehefa betsaka koa no miaraka miesona dia tena mamy ny torimaso ary tonga ny nofy tsara. Ho feno fahagagana ianao mivoaka avy ao satria tena mientanentana fatratra noho ny fahafaham-po sy ny fanantenana.
 
Aza hadinoina ny rakitra sy tonom-bokatra ho fampandehanana ny asa fanabeazam-boho. Hampanamboatra auto-collant sy porte-clé misy ny sary famantarana antsika mihitsy angamba aho. Sary mahafatifaty kely. Sary saka kely. Saka be loha. Miaw !

20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |