Wednesday, 08 August 2012
MANDRA-PAHOVIANA ?
(Il est des maux et des blessures que l'on occulte pour la simple raison que ça vient d'un être cher, de quelqu'un de la famille, d'un ami, d'un bras droit - au nom de l'amitié, au nom du Fihavanana ...
Jusqu'à quand se taira-t'on dans le seul espoir de se voir entouré lors d'un deuil ! )
Dessin de Brian ANDREAS in Tolerance
Misy ratram-po
Iniana ihafiana
Noho ny fihavanana
Ezahana hotanana,
Na dia tsy mahasoa,
Iniana ikimpiana !
Fery anaty koa
Kobonina mangina
Satria nataon'ny namana
Sy tanana ankavanana,
Tsindriana tsy hifoha
Fa kaikitry ny tiana !
Mandra-pahoviana
Ny vava hohidiana ?
Hanefa ve ny aina
Vao hanomboka taraina ?
Ny hifandevi-maty
Ve no hijaliana anaty ?
RHR
En ligne le 25/03/2012
21:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tolérance, brian andréas, rondro, fihavanana | Comments (0) | Facebook | | |