Wednesday, 08 August 2012
MANDRA-PAHOVIANA ?
(Il est des maux et des blessures que l'on occulte pour la simple raison que ça vient d'un être cher, de quelqu'un de la famille, d'un ami, d'un bras droit - au nom de l'amitié, au nom du Fihavanana ...
 
 Jusqu'à quand se taira-t'on dans le seul espoir de se voir entouré lors d'un deuil ! )
 
 
Dessin de Brian ANDREAS in Tolerance
Misy ratram-po
 Iniana ihafiana
 Noho ny fihavanana
 Ezahana hotanana,
 Na dia tsy mahasoa,
 Iniana ikimpiana !
 
 Fery anaty koa
 Kobonina mangina
 Satria nataon'ny namana
 Sy tanana ankavanana,
 Tsindriana tsy hifoha
 Fa kaikitry ny tiana !
 
 Mandra-pahoviana
 Ny vava hohidiana ?
 Hanefa ve ny aina
 Vao hanomboka taraina ?
 Ny hifandevi-maty
 Ve no hijaliana anaty ?
 
 RHR
En ligne le 25/03/2012
21:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE  | Tags: tolérance,  brian andréas,  rondro,  fihavanana  | Comments (0)  | 
 Facebook |  |  | 

