Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

HIC-ET-HIAKA - Page 2

  • TAMAN-KOMAM-POTSINY

    Te hivazavaza faran’izay mafy aho hanazava sy hanaporofo fa tsy mitombina ny hoe « tsy misy asa ». Ahoana no handreseko lahatra anareo tsara fo sy fanahy rehetra ireo, fa io tolotolotra maimaim-poana ataonareo indray mandeha isan-taona io, dia poizina mikolokolo ny toe-tsain’olona ho taman-koman-tsy misasatra. Ny hany ezaka ataony dia mamantatra ny tetiandronareo mpanao asa soa, ary dia vita ny fivelomany. Ny fahantrany tsy afaka fa miorim-paka hatrany, ianareo koa mino sy manantena anjara toerana metimety any an-danitra ! Fa ny olona tena miady aman’aina te hiavotra, dia takona sy hadino sy maty ho azy any an-katakonana any.

     

    Tonga eto amin’ny fotoam-pararano fialan’ny mpiasa indray manko aho. Misimisy hohanina indray any an-tanàna ka « hody » ny mpila ravin’ahitra.

     

    Herintaona katroka no niasan’i Feno tato aminay. Teo am-boalohany ihany no mody nanovokovoka. Efa nilazana fa tsy tsara raha irery ralehilahy, fa niseho ho tsy maika amin’ny fanambadiana fa hihary aloha. Niniana nalefa isaka ny mba afaka mijanona an-tanàna izahay, fa nilaza ho tsy dia tia mivoaboaka. Dia hoy ianao hoe inty ny anjely bory elatra.

     

    Rehefa nihodina ny volana dia indro fa nitranga ny toetra iombonany amin’izay rehetra nisesy teo : « karamaina hiala sasatra ». Vonjivonjena malakilaky izay eritreretiny fa tsy maintsy atao, dia indro fa mandefa vinany eo an-tokonana. Na amin’ny firy na amin’ny firy ahatongavako ao an-tanàna, dia mivoaka hatrany avy ao an-tranony izy. Tsy misy asa an-tsaha vanona izany !

     

    Izay rehetra nandrarana azy dia tapitra nodikainy avokoa.

     

    Miandry tanàna no anisan’ny ilàna azy ; tsy mifonja izy sanatria, fa afaka mifandamina izahay rehefa tsy maintsy mandeha izy. Fa indray andro, mifanena soa aman-tsara eo an-kodimirana izahay, izaho tafody mialohan’ny fotoana. Indro izy midoladola fatratra, tsy maika velively, eny amin’ny toerana tsy ahatazanana ny tanàna akory. Tsy mba miolomay, fa mandry saina tsara, mitsangantsangana. Mivanika fatratra mifanena amiko. « Noheveriny » fa tsy hody aloha hono aho ka nivoaka izy fa tsy manana menaka, vetivety fotsiny ange, … Tsy tsaroako ho nanome azy ny fandaharam-potoanako aho hoe tokony hody amin’ny firy…

     

    Sy ny sisa tsy hitarainana. Tsy lefiny ny fitenitenenan’ny vahininay azy, ny amin’ny loto sy ny korontana eo an-tanàna, ka dia hiala hono izy fa tsy tamana.

     

    Ary dia fahasahiranana tanteraka ity mitady solony.

    Izao no resaka tamin’i Patrick, mbola tsy ampy 25 taona, manana vady sy zanaka herintaona.

    -Manao inona i Patrick izao ?

    -Mipetsapetsaka fotsiny aman’olona eny.

    -Fa tsy miasa ?

    -Niasa fa nijanona fa mafy be ilay asa.

    -Fa inona ilay asa mafy be ?

    -Nanaonao tsano teny dia nijanona. Izany hoe ilay vovoka ciment no tsy zakako.

    -Ka ahoana izany raha hipetraka ambanivohitra, tsisy jiro tsisy rano ?

    -Izany ve ? (efa nolazaina azy mialoha tsy misy fitaka ny asa misy)

    -Mahatana angady ?

    -Ye, mety hahatana ihany rehefa hatao. Fa tsy hoe miasa tany be.

    -Mamboly anana sy voninkazo ve dia asa tany be.

    -Mety ho vita ihany rehefa hatao.

     

    Dia nolazaina azy ny zavatra hataony, izay miisa telo no tena fototr’asa. Dia manontany izy :

    -Iantohanareo sakafo ve izahay ?

    -Izaho izao miasa fa tsy fahanan’ny patron-ko, omeny karama aho hikarakarako ny tokantranoko fa tsy miara-mipetraka aminy ; izay no fomba fiantohany ny sakafoko.

    -Dia mba mahazo mivoaka ve izahay rehefa anjo tsy fiasana ?

    -Inona moa ilay andro tsy fiasana ? Tsy fiasan’iza ? Ny asako manko tsy misy alatsinainy sy talata sy alahady sy paka sy krismasy izany, tsy misy andro sy alina. Ka raha hiaraka hivoaka isika dia ahoana ilay tanàna ilàna anareo hiambina azy ? Na ianareo mandeha dia izaho mijanona, manao ny asanareo, dia inona izany no handoavako ny karamanareo, satria aho tsy afaka hiteny amin’ny patron-ko hoe mba handehandeha aho fa aza bangàna ny volako fa manjary mijaly i Patrick telo mianaka ! Fa hivoaka aiza moa ianareo ?

    -Mba mamangy havana ohatsa

    -Aiza izany ?

    -Any Mahitsy.

    -Izany azo ifanarahana arakaraka ny fandehan’ny fotoana fa tsy afaka hofaritako mialoha. Fa tsarovy koa fa ny mivoaka dia mira fandaniana, saran-dalana sy adidy, … Izay fa eritrereto dia lazao an’io olona nahitanao ahy io ihany ny valin-teny.

     

    Efa mazava ny fanapahan-kevitro fa tsy mety amiko izy.

     

    Izany no fomba fiady varotry ny olona te hahazo vola amin’ny fomba tsotra sy milamina. Olona manao ny fiainany eo amin’ny faha-roapolo taonany mba hampiadaniko amin’ny valala manatody sy ny fandriana mafana ! Valala nampanatodiziko sy fandriana nohafanaiko io, fa izy dia ho tonga hianoka amin’ny zony, eto amiko ! Lalina izany lehiretsy. Ary dia tsy izy irery ihany. Ny efa nahazoazo taona kosa dia hioty ny valim-babeny eto amiko.

     

    Fa izaho izany no vorombe matavy, ombivavy be ronono, akohovavy manatody volamena, loharano miboiboika vola. Ny tena fehiny dia ilay vatolampy be tsy miteny azon’ny rehetra angerena.

     

    Mba sanatriavo