Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 31 March 2020

RAVINTOTO SY HENANKISOA, FIZARÀNA FAHAROA

Chayote, Sayote, Chouchou, Christophine, Saosety. Sakafo sokajiana ho légumes na voankazo ihany koa, ary tena ankafizin’ny olona ao La Réunion. Fadiranovana kosa ny Gasy raha vao resahana an’izany. Ny mamboly azy, hono, mampahantra. Mampahantra kokoa angaha no tena izy, satria tsy efa mahantra rahateo ve ny ankapoben’olona malagasy. Tsy foin’ny Zanahary hahantra angamba aho fa tsy mety mahavanona saosety, nefa mba tiako ilay alokalony hatao tafon’ireo voninkazoko … sosety.jpg

Dia gaga ihany aho aloha, sady malahelo mafy an’ireto zavatra manaraka ireto : saosety, voatavo, baranjely, korizety, anana, haricots verts. Mitambatra ao amin’ny olona anankiray ny tsy fitiavana an’ireo, dia manontany tena aho hoe inona izany no tian’io olona io ? Fahavoazana ara-tsaina vokatry ny tsy fahaizan’ny reniny nahandro no mahatonga an’izany.

Fa inty no tena resaka. I Bebe Nesy dia sisa nanamborana tamin’ireo nolazaina hoe « ankizin-drazanay ». Nanohy hatrany ny fifaneraserana taminay izy io, noho ny anton’asany nisy nifandraisana tamin’ny andraikitr’i dada. Ramatoa lehibe, nahavita fianarana tamin’ny sekolin-jazavavy izy, mihaingo fatratra. Vita frisé iny volony iny, mirindra tsara ny elo sy ny pôketra ary ny kiraro. Voapasoka tsara misy rirany vita efajoro madinika ny lamba fitafy. Mianjaika ery rehefa mamindra, miresaka. Tamin’ny ankapobeny, dia nahafinaritra izy. Nahafantaranay an’ireo havana sy havankavana rehetra tany rehetra tany. Ankasitrahana azy ireny. Saingy ity.

Nataony fahazarana ny tonga matetika tao aminay amin’ny ora ankatoky ny fisakafoana antoandro. Tsy hoe sarotra an-kanina izahay, fa efa maty isa sy maty fatra ny zavatra rehetra. Raha mba tonga amin’ny fotoana fahandroana izy, dia ho tsy nanahirana. Tsy vitan’izany anefa, fa izy dia hajaina, asaina mandoatra mialoha, satria sady « vahiny » no zoky ray aman-dreny ihany koa, na teo aza ny saranga ara-tantaram-pianakaviana … Sady miresaka àry ity izy no mandoatra. Izy kosa, dia mahita zava-mahaliana hotantaraina hatrany. Sady miresaka no mandoatra ary mifantina sy mandraoka ny « tsara » rehetra. Ny vongan-kena no tena ataony majifa. Ailiny ho azy ny antsasaky ny laoka, any am-bilany anefa tsy misy intsony, dia izay sisa eo no zarainay mianakavy kely !

Nony lehibebe efa nitovy haavo tamin’ny fatana sy ny latabatra fikarakarana sakafo tao an-dakozia aho, dia nifanolo tamin’i neny nanao ny sakafonay. Efa fantatro ny andro fiavian’i Bebe Nesy, ka dia hitako ny hevitra. Ny andro tsy iverenanay hariva any an-tsekoly izy no tonga, satria eo i dada no tsy maika hamonjy asa amin’ny tolakandro.

Ravintoto no laoka. Nohandroiko araka ny fanaovana azy ihany. Tetsy ankilany, dia nahandro saosety nataoko vaventy tetika aho. Rehefa masaka, dia noesoriko avokoa ny henankisoa ary nosoloiko saosety. Nafangaroko tsara mba ho voaloko maitso ny saosety, zara fa manangasanga fotsy toy ny tavin-kisoa.

Dia ranga ny mason’ity vahiny, nitily tsara ny toerana hanatsatohany ny sotrobe rehefa injay izy haka laoka. Nasesiny tsy nananany antra ireto « vongan-tavin-kena », toy ny mahazatra. Natao ity vavaka fisaorana alohan’ny sakafo. Samy niandriandry an’izay hiseho izahay. Io fa nitsako, naka saina kely nandinika sy namantatra hoe inona izato voatsako. Natelina moramora tsy an-kiteniteny. Nitopy kely teny amin’ny lovian-daoka ny maso, dia notohizana ny sakafo. Tsy maintsy notaperina ireto efa nangonina, nanantena sao mba misy tena hena ihany amin’ireto izy. Indrisy. Hatramin’ny farany.

Tsy haiko ny hiteny hoe « fay » ve. Satria tsy tandrintandriko izay tohin’ny fihaonana taorian’izay. I dada no saika tsy nahita izay hasiany ny tenany. Zara aza mba nisy resaka nampihomehy izay, nororitina tsy nisy farany mba hoe nihomehezana …

Efa nodimandry efa ela i Bebe Nesy. Asa na nihoso-menaka izy, na tsemboky ny haingony, fa namirapiratra fatratra ilay hodi-tavany ngalingaly, niantsoanay azy hoe « Mangirana » …

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sôsety sy henankisoa | Comments (0) |  Facebook | | | |