Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 February 2017

FAMPIHAVANANA HONO KA HOE

Eny ry izy mianakavy.


Izaho tena tsy tia miresaka an'ity fihavanana-fihavananareo ity. Fa hosoratako fohifohy ihany satria tsy te hiady an-tsena aho hoy aho.


Inona moa no tena dikan'io teny na concept tsy hita dikany amin'ny tenim-pirenena hafa io? Raha tsy ifanarahana ny famaritana an'io, dia samy handrirotra araka izay mahamety ny tsikalakalam-bolany.


Fampihavanana? Raha horasaina ara-pitsipi-pitenenana fotsiny dia misy fototeny hoe "Havana" ary tovona "mamp" ? Izany hoe misy antokon'olona roa, na olona roa, samy maka ho azy, atambatra amin'ny alalan'ny fihavanana. Ho lasa "mpihavana" ve? Ary misy olona fahatelo, miandraikitra an'io "fampihavanana" io.


Izany hoe, tsy afaka hihavana amin'izao ireo olona ireo, fa ilàna manam-pahaizana manokana mihitsy. Tsy afaka hihavana amin'izao ireo satria efa tsy natao ho izay. Na efa izay taloha fa rava ny fihavanana. Na olona efa tsy afa-mihavana mihitsy hatrany an-dreniny. Incompatibles.


Tsy maintsy atao anefa ilay fampihavanana, satria manjary tsy an'asa ilay olona fahatelo!


Nahoana moa no tsy misy fihavanana? Satria misy tsy rariny. Satria misy ratra any ho any. Iza no hitsabo ny ratra? Ny ratranao ve no hitsabo ny ratrako? Hifampiantso tody eto ihany. Ka fihavanana inona no hampanaovina amin'izany? Satria asaina atao ilay izy fa tsy mandeha ho azy.


Ahoana moa no hahafaly ahy, raha izaho no voalazan'i #Lolo_sy_ny_tariny amin'ilay hira hoe #Baomijijy???


Ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina no mahatonga ny "fihavanana" harisarisa. Injustice sociale.


Avelao ny lasa efa tsy takatry ny saina. Apetraho ny lalàna. Samia manaja ny lalàna. Ampiharo ny lalàna. Hihena, na ho foana ny tsindrio fa lavo, ny kely tsy mba mamindro, ny tany avo avaratra, ...


Izay ny fampihavanana tsotra. Efa sarotra be. Mainka moa raha ampiana hoe fampihavanam-pirenena !


Ny biby no ampanarahana. Ny taratasy no atambatra amin'ny dity. Ny biriky no araikitra amin'ny feta.


Dia mba mieritrereta raha olombelona!

15:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fampihavanana, baomijijy, bozy boleta | Comments (0) |  Facebook | | | |