Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 16 May 2017

BIZN'NAKÀ ASIAKO SONIA

Io anaran-javatra rehetra io, ao ny misy dikany hatrany am-piandohana. Ao ny tsisy dikany hatrany am-piantombohana fa namoronana dikany vao haingana.

Raha izaho izao no sendra manan-javatra tampoka. Dia ahoana re ?

RHR no initiales-ko, izany hoe tarehintsoratra fiandohan'ny anarako. Dia io izany no apetako amin'izay mikasika ahy rehetra fa hahita inona indray. Mba AHY dia asiako sonia e!

Fa ilay olona koa tsy maintsy be fanontaniana hoe ahoana no fanalavana an'io. Soa ihany aho fa kingakinga saina amin'ny famoronana. Ka arakaraka ny toe-draharaha no hanalavako an'io :

Raha hisehatra fizahan-tany dia mety hoe RHR (Restauration et Hébergement Rustiques), na Ruraux, mety daholo.

Raha antoko politika dia angamba hoe RHR (Rassemblement pour l'Honneur de la République), ou du Royaume. Tsara koa izay.

Raha fiangonana "zandriny" dia aleo hatao hoe RHR (Ranombavaka sy Hira Ranofotsiny).

Hatreo aloha fa ireo ihany no bizna mandeha.

Ato an-tsaiko kosa dia ny anarako no fintinin'izany RHR izany.

Ruse Ho an'ny Rehetra !!!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rhr, bozy boléta, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next