Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 10 April 2017

PÂQUES ET PÂQUE

Ny pâques, misy "s", no fety kristiana lehibe indrindra, foto-pinoany noho ny nandresen'i Jesosy Kristy ny fahafatesana ka nitsanganany ho velona rehefa avy maty sy nalevina.
 
Ny accent circonflexe dia manafina "s" ao anatin'ilay teny ka izany no mahatonga ny olona sasany hiteny hoe paska na pasaka.
 
Pâques > pascal
Fête > festival
Côte > costal
Huître > ostréiculture
Hôpital > hospitalier
Fenêtre > défenestration.
 
Araka ny fanisana andro manaraka ny tsingerim-bolana, ny paka dia ankalazaina amin'ny alahady voalohany manarak ny fenomanana aorian'ny équinoxe de printemps ho an'ny ilabolantany avaratra, izany hoe eo anelanelan'ny 22 mars sy 25 avril. Eo no amaranana ny fifadiana (carême) ary ihobiana ny fitsanganan'i Jesosy avy amin'ny fahafatesana.
 
Mandritra ny karemy fahiny dia tsy nohanina mihitsy ny atody hany ka nanjary nisy tahiry be dia be. Izay no nahatonga ny atody ho famantarana ny paka. Ao ny atody lokolokoina, ny chocolat atao bikan'atody, sns. Ny atody rahateo dia mariky ny fihavaozana, ny fahaterahana, ny aina vaovao.
 
Ny lakolosy ihany koa dia amantarana ny fetin'ny paka. Tsy ampanenoina mihitsy ny lakolosy mandritra ny zoma sy sabotsy masina, ho mariky ny alahelo noho ny fahafatesan'ny Kristy. Ny légende dia milaza hoe mandeha mitsangantsangana any Roma hono ny lakolosy rehetra rehefa alakamisy masina ary tsy miverina raha tsy ny alahady andro paka. Any amin'ny faritra sasany dia voalaza fa ireo atody dia afenin'ireny lakolosy ireny, sy ny bitro, ny akoho, ny vano, ny fosa, ny vorondolo sy ny matoriandro... Izany no niavian'ilay lalao hoe fihazana atody (chasse aux œufs).
 
Mandritra ny karemy, dia misy ireo kristiana tsy miventy mihitsy ny Aleloia ary tsy manao mariazy.
 
Saika mifanakaiky amin'ny vanim-potoan'ny paska kristiana ihany koa ny Pâque (tsy misy "s") juive. Pakan'ny Jiosy izy io, na Pessah, adika hoe fandalovana, fahatsiarovana ny nitàn'ny vahoaka Hebreo ny ranomasina mena, niala tany Egypte, teo ambany fitarihan'i Mosesy (Moïse). Maika loatra tamin'izany fandosirana izany ka tsy nanana fotoana nitomboana akory ny mofo nasiana lalivay. Mialoha ny pessah àry dia manao fanadiovana fatratra ny fonenany ny Jiosy, mba tsy hisy na dia tapiana lalivay kely aza. Esorina daholo ny koba, lafarina, poti-mofo na ambina mofo...
 
Aty alohan'ny paka àry no irariana hoe Joyeuses Pâques

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: pâques, pâque | Comments (0) |  Facebook | | | |