Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 21 March 2017

ANTONGONA

Antongona dia havoana eo andrefan'Antananarivo, somary atsimo kely foana, sahabo ho 26km manaraka ny lalana.
 
3 na 4km tora-tady avarabaratra kelin'i Merintsiatosika (Fenoarivo). 1508m ny haavony.
 
Eran'#Imamo avy atsimo sy andrefana, ary avy ao #Vonizongo sy #Marovatana dia tazana toy ny omby adalalahy miatsinanan-doha izy.
 
Mahatazana lavitra ny manodidina koa avy eo ... Hatramin'ny faritany Vakinankaratra.
 
Izany Andriamioro izany no mpanjaka tranainy indrindra fantatry ny lovantsofina ho tompon'Antongona. Tokony ho niara-belona tamin'Andriamasinavalona izy izay.
 
Ny zafin'Andriamioro : Andrianjafindramioro, mpanjaka fantatra tsara teo Antongona, dia nanambady an-dRangory (na Rafotsiraivo), zafin-dRalanimboahangy, 12 vavin'Andriamasinavalona, avy tany #Andramasina.
Niteraka mianadahy tany Antongona Andrianjafindramioro sy Rangory :
-#Andriantsolo
-Ratsiavanga
 
Efa nifanarahany fony vao nivady fa ho an'Andramasina ry zareo fa tsy ho an'Antongona .
 
Ka nony maty izy mianadahy dia nentina tam-piravoravoana tany Andramasina. Iray volana vao tonga tany.
 
Andriantsolo dia tonga vadintany nalaza tamin'ny andron'Andrianampoinimerina.
 
Tamin'ny andron'ny ady an-trano fahizany dia tsangan'afo tao an-tampon-tendrombohitra no natao famantarana filam-bonjy tamin'ny manodidina nony nisy fahavalo nitady hananika. Natetika loatra ny teo Antongona ka tsy nampiraika ny olona intsony ary nahatonga ny fitenenana hoe "efa ho lava ny afon'Antongona" : enti-milaza ny antso vonjy matetika, ny hataka lava, ny taraina tsy misy farany, ... tsy mahataitra sy tsy mampangoraka intsony.
 
Andriamioro sy Andrianjafimioro (sa Andrianjafindramioro) dia samy milevina ao Antongona.
 
Misy lovantsofina maromaro zary lasa angano momba an'Antongona, fa ity ihany no tantaraiko.
Teo an-tehezan'ny vato milangalanga izay toy ny trafon'Antongona hono no nonenan'ny foko natao hoe Zanakalondrano, na olona ondranondranana. Indray andro, nikitroka ny zavona. Niandry ny masoandro hiposaka teo an-tendron'ny vatolampy ry zareo mba hitapiany andro. Vao mainka nikitroka anefa ny zavona. Dia hoy hono ny anankiray taminy : "He rey retse, isika trotrake any Anoselava sy Anosefohy handano (hilomano), tsandre rano fotsy mangenehene ve ity?" (Fa nalaza ho nahay nilomano fatratra moa ny Zanakalondrano). Dia niantoraka hono ny voalohany hilomano tao anaty zavona, nanaraka tsirairay koa ny sisa, ka samy torotoro tao amin'ilay hantsana mangitsokitsoka ireo Zanakalondrano.
 
Nisy tantaran'ny "mpilomano zavona" maromaro re amin'ny faritany maromaro, ka asa na nisy marina na ahoana.
 
Tamin'ny 1912 dia nisy loharano kely nifantsitsitra tampotampoka teo amin'ny hotsaka ambany atsimon'Antongona. Volana iray monja dia feno vahoaka andro aman'alina ilay toera-mangina. Niorina ny lay, velona ny tsena fa hoe misy rano mahasitrana eo. Ny sasany nisotro, ny sasany nandro, ny sasany nilona, ny sasany nitondra nody.

Tsy ranomafana toy ny any Antsirabe anefa ilay izy, fa rano fisotro tsotra ihany.
Misy sisan'ny tanàna fiarovana tranainy sy karazan-javamaniry fahagola ao.
 
in Firaketana

14:54 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: antongona, andramasina | Comments (0) |  Facebook | | | |