Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 14 June 2017

HARENDRINA, TSIKONONA, TSIPOAPOAKA

Indrisy rankizy ankehitriny fa toa mirenty "fandrosoana" ianareo nefa dia hafa ihany izany fahazazako izany! Hotantaraina sisa satria sady tsy azoko iverenana no tsy azo ampiainana anareo intsony.
 
Isan-taona toy izao, ankatoky ny Fetim-pirenena, dia efa tsy andry ny fihaonam-pianakaviana any ambanivohitra. Manao tsikonona izahay zafikelin-dry dadabe. Any an-tokotany daholo ny "ankizy" rehetra, manamboatra tranotrano kely ao ambany talantalana andadizan'ny sosety mikitroka be izay, ny sasany eny ambany paiso sy pibasy rehetra eny.
 
Dia tena mahandro tokoa ange. Ireo lehibebe no misahana ny afo sy ny antsy. Izahay madinika kosa mitango anana, mitsimpona akotry amin'ny vary. Jembin'ny setroky ny afon-kitay lena ireo maso kely, mihovitry ny hatsiaka sy lanin'ny moka anefa raha vao manalavitra ny fatana, sady eo koa no misy ambiansy.
 
Faly ery manandra-peo amin'ireo hira tsy dia hay loatra.
 
Finaritra tokoa mampihantona ny harendrina taratasy eran'ny rantsan-kazo, avela ho may eny nefa dia tsy natahotra hain-trano na doro tanety! Jiro kapoaka no atsatotsatoka natao fanazavana ny lasy. Rovi-damba vontosana menaka no atao anaty boatin-dronono efa lany, fantsihana amin'ny tahon-kifafa dia arehitra.
 
Natory teny ivelany izahay nefa tsy mba nanahy jiolahy mpamono na mpanolana, ary tsy nisy nifanolana ihany koa !
 
Nihinana sakafo zara fa nadio sy zara fa masaka nefa tsy mba natahotra aretin-kibo sy atodin-kankana.
 
Izany fifaninanana tsipoapoaka re! Maromaro no indray atao anaty daba fa tena mirefodrefotra tokoa. Tsy mba voarara tamin'izany "hafaliana" tsotra izany izahay ... Na ireo ray aman-dreninay, na ny tompon'andraiki-panjakana : samy tsy nisy namoaka didy nandrara ny tsipoapoaka.
 
Tato aoriana dia samy nankalaza isan-tokantrano ny Fetim-pirenena izahay mianakavy. Vao miandoha ny volana juin dia efa mividy ny kojakojan-tsikonona i Neny. Vilany kely sy fatam-pera kely. Tsy nety nahay nandrehitra afon'arina mihitsy moa aho. Tsy azo nanaovana afon-kitay anefa ny toerana nisy. Mbola nahafinaritra ihany saingy tsaroako ho niha-natsatso isan-taona ilay "fety".
 
Mbola tena tiako rankizy ireo fombafomba rehetra niainako ny takarivan'ny 25 juin tamin'ny fahazazako. Tena tiako lavitra noho ireto kijirojiro sy manenonenon-tsinoa mameno tsena!
 
Endri-pandrosoana ve sa mari-pahaverezana?
 
Ry Tanindrazanay malala ô ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: 25 juin, harendrina, tsikonona, tsipoapoaka | Comments (0) |  Facebook | | | |