Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 28 August 2017

MIBORY

Rahefa maty, hono, ny mpanjaka taloha, tsy mba natao hoe "maty" fa "miamboho", ary rahefa nalevina, tsy mba natao hoe "nalevina" fa "nafenina".
 
Isaka ny nisy mpanjaka niamboho àry, dia nibory ny vahoakany, izany hoe nokakasana ny volon-doha, na lahy na vavy, na lehibe na kely. Vahoaka-mpanjaka daholo ny Sihanaka rahefa nisy ny toy izany. Mbola tsy maty tadidy mantsy ny nandalovan-dRadama Rainy tany taorian'ny niambohoan'Andrianampoinimerina. Tany amin'ny tapak'Antsihanaka avaratra, nisy tanàna sasany nanohitra azy, nisy sasany tsy nanao izany, saingy lava volo fotsiny ny olona, izany hoe tsy nisaona : naripadripany daholo ireny rehetra ireny.
 
Heverina hoe moramora izany mibory izany. Raharaha sarotra mihitsy izany. Fahiny, tsy nisy firy ny olona nanana hety tao an-tanàna. Ny hety iray na roa nisy tao no nifandimbiasana, nohofaina lafo tamin'ny tompony. Tsy maintsy hetezana fohy mantsy aloha ny volo, izay vao kolaina. Ny hareza indray, dia izay zava-maranitra nananana na hita no nasaina natao nifilofilo, hasolo azy : antsy, fihatsaka, felam-by sahala amin'ny fehin-kesika. Maika hibory daholo mantsy ny olona, sao misy mpitsikilo mahita, ka mety ho voasoketa ho mpikomy ny tena. Fanahiana ihany anefa izany, tsy dia nisy ny mpitsikilo, fa ny nisy dia ny lehibebe tao an-tanàna tonga nanketsy sy nankeroa, nitsingoloka ny olona sasany nataony hoe "tsy nibory tsara", na "tsy nibory haingana". Olon-tsotra mora ampitahorina ireny ka nanamby vola hatrany mba tsy hotoriana.
 
Fa ny nisian-draharaha lehibe indrindra momba ny fiboriana, dia tamin'ny niambohoan-dRadama Nanjakatapany. Tsy fombam-piteny fotsiny ny hoe "tany lavitra andriana" momba an'Antsihanaka, fa nihatra taminy ary ara-bakiteny tokoa izany tamin'io fotoana io. Vao re fa niamboho Radala II dia namonjivonjy nibory daholo ny olona, sahala amin'ny mahazatra. Tapa-bolana taorian'izay, nisy tsaho niely izay tsy fantatra ny niaviany : "Saika hivarotra ny fanjakana tamin'ny Vazaha, hono, Radama, ka nisy namono, ary izay mibory misaona azy dia mpankasitraka ny nataony, ka hotapahin-doha".
 
Tao amin'ny tanàna nisy ny raiben'i Neny nahita izany zavatra izany, ny ampitson'ny nandrenesana ny tsaho, saika nanjary lava volo tampoka daholo indray ny olona : ny volo nohetezana izay notahirizina hataon'ny vehivavy tovana any aoriana, no naraikitra tamin'ny dity tamin'ny hodi-doha kola.
 
Re indray nony avy eo, fa tsy fantatra ny tena fahamarinan'izany resaka mandeha izany, fa ny fantatra dia mibory daholo ihany ny olona. Bory loha daholo indray ny tao an-tanàna taorian'izay. Tsara homarihana fa nisy foana ny tratra aoriana tamin'izany fiovaovana rehetra izany, ary ireny dia nividy hatrany ny havotsany tamin'ireo mpanararaotra andavanandro.
 
Na inona na inona zavatra miseho, misy olona mahita hamelezana sy mahita hasiana foana.
 
ANDRY ANDRAINA
in Mitaraina Ny Tany, tak. 109-110
 
Hoy aho hoe efa ela ny Gasy no nahay tissage.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mibory, andry andraina, miamboho ny andriana, radama ii, tissage | Comments (0) |  Facebook | | | |