Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

FATSOU SY BADOU

Betsaka ny bado amin’ity fiainana ity, fa tsy vitsy koa ny fatsora, ary miara-dalana hatrany ireo. Asa aloha ilay habadoana na havendranana mihitsy na fahendrena ihany koa, na hafetsena miafina endrika.

Raha manan-katoraka ihany ianao ry Fatsou nefa tsy dia ampiampy hevitra, na tena tsy ampiampy hatoraka koa, dia mahaiza mifidy an’izay hojapiana. Mba mihainohaino resaka eny, fantarina tsara daholo ny tetikasa sy vinavinan’ny manodidina, indrindra ny an’ireo heverinao fa filamatra sy fakàna tahaka. Raha toa ianao tsy nahalala vakansy afa-tsy tany Atsinanana, dia ho fantatrao amin’ny alalan-dry Badou fa misy koa ange ny any Andrefana.

Raha sahy moa ianao, dia ataovy tonga alohan’ny azy ny anao. Mila misongona mba hisongadina satria ny vola misy, ny aina matanjaka ! Fa tsaratsara kokoa ny misoavaly  dia hisosa ny vakansy. Ka ny olona tsara hatao soavaly dia olona manan-tsaina aloha, manana fahasahiana hamaky lay, tsy dia sahirana ara-bola. Fa ankoatra izay, tena tsara raha manana fahaizana manokana mety hanafa-pahasahiranana anareo mianakavy : ohatra hoe mahay mampilalao ilay lehilahy mécanicien, mahay mahandro ilay vehivavy infirmière, mahay maka sary ilay zanany lahimatoa, afaka miandry sy mitaiza zaza ilay zanany vavy.

Fianakaviana toy izany no tsara hatao soavaly dia handry ivohon’ny vato ianao sy ny ankohonanao. Amin’ny anaran’ny fihavanana daholo anefa no anaovana an’izany ho fitsinjovana ny manaraka rehetra !

Izay no sombin-tantaran’i Fatsouraly sy i Badouraly. Efa nahita tranga toy izany ve ianao ?

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |