Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

INDRAY ANDRO TEO ANTANINARENINA

Vao maraina dia samy mametrapetraka ny fiarany eo amin’ilay tany malalaka be ny mpiasa eny amin’ny manodidina. Efa saika samy mahalala ny toerana mahazatra azy, efa zary mifankahalala koa fa mpiara-monina eo e, samy tsy hiala teo raha tsy maizim-bava vilany. Tsy ametrahana fiara ilay sisiny indrindra manakaiky ny tohatra fa voatokana ho an’ilay hotely misy kodiarana.


Misy ny karazam-pihariana rehetra eo : varobarotra kojakoja madinika enti-mandehandeha, tefy firavaka, varotra gazety, hataka, varotra fiarakodia sy afera anaty fiarakodia, fanadiovana fiarakodia, fampanofàna ny tany malalaky ny fivondronana. Na misy olona aza ao anaty fiara, tsy maintsy voataky vola ianao rehefa hiala eo. Araka izany, tsy saran’ny fiambenana iny fa hofan’ny toerana. Ady varotra be, fifandrombahana be ny an’ireo lehilahy « miasa » eo : misy ny sokajin-taona rehetra hatramin’ny zazalahikely ka hatramin’ny anti-dahy. Tsy mirotsaka eo koa ry zareo raha tsy misandratra andro, ingahibe moa dia amin’ny hariva mihitsy vao tonga maka ny anjarany eo. Ny sasany mba mionona amin’izay omena azy ihany, fa ny hafa mahavita mandà mihitsy fa na ny mpangataka aza, hono, tsy handray iny vola kely iny. Ireo izay tonga dia mirifatra moa, dia arahina ompa sy farateny be.


Ireo mpivaro-boankazo indray dia manafintohina mihitsy amin’ny fitangisirana eo am-poto-tsofinao : manomboka telo arivo ny entana, midina roa arivo, farany lasa dimanjato. Rehefa miziriziry tsy hividy ianao, dia esoin’ny mpivarotra hoe « ary raha homena fotsiny », raha tsy izany dia mahazo vava be koa. Asa na tena mankasiaka mihitsy izy ireny, na izay no teknika nampianarina azy fa tsy miala eo mihitsy na efa tsy jerena aza, na efa tsy valiana, na efa anaovana valy an’avona, na efa treronina ! Mitampikitra eo na misakafo ianao, na miresaka, na mamaky gazety na somokotra amin-javatra hafa.


Rehefa hariva indray, dia indreo ny mpivaro-tena : lehilahy be feo, be ranjo no tonga eo amin’ilay seza vato. Tsy hitahita akory, dia manjary vehivavy tsara bika aoka izany, mihaingo fatratra, miangolangola. Manjary antsoina hoe « Maman’i Benaivo » ny sasany. Fihariana koa ny azy.


Tsy andro tsy alina koa ny mpifankatia manao izay azo atao rehetra any anaty fiara, takonana lambahoany kely dia vita. Efa mihidy ilay toeram-pivoahana andoavam-bola, dia manokotoko eny rehetra eny ireo poritra rehetra. Rehefa feno ny vodihazo, dia eny an-damosin’izay fiarakodia ratsiratsy no atao ny fivalanana. Tsy misy hita ireny karazan-doto ireny ny ampitso fa efa nandalo ireo mpamafa lalana vao maraina, manadio ilay kianja hivantanan’ny besinimaro indray. Dia toy izany hatrany hatrany.

Bozy Boleta

in Jinjany kely, Midi Madagasikara, 2006

 

11:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |