Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 06 August 2017

MAGE 4

Alahady 6 août 2017.

Mahavariana fa nifanojo tamin'ny andro hanaovan'ny tarika Mage 4 fiakarana an-tsehatra ho fankalazàny ny faha-25 taonany, dia voarain'ny tanako ity magazine Pazzapa mag laharana 18, navoaky ny groupe RTA (radio télévision Analamanga) tamin'ny juillet 2006, misy poster be an'i Ken.

Hatramin'ny voalohany no efa nanarahako sy nitiavako an'ity tarika ity. Rock gasy tsara tononkira, tsara feo, olona mahafinaritra jerena satria rockers milamina endrika sy fitafy. Dia izao no tao anatin'ilay gazety-boky.

MAGE 4
Firahalahiana-Fifanajana-Fandeferana

Ny hampitoetra ny mozika rock eto Madagasikara no anisan'ny tanjon'ny tarika MAGE 4. Marina fa ny aina tsy mifametra, ka ny faniriana dia hanao toy ny fahafatin'akondro : "maty mamela solofo".

Ny niantombohan'ny tarika sy ny anarana "Mage 4"

Tany Toliara no nifankahitan'ny mpikambana, samy zanaka mpiasam-panjakana, ary nampiraisin'ny fitiavana ny mozika dia ireny mihirahira eny ambony tamboho ireny. Ny taona 1992 nisy namoron-kira, dia mba nanandrana nanao prise de son fa mbola tsy nieritreritra ny hamorona tarika.

Ny krismasy 1993 dia nifanao fotoana hoe hamonjy sasakalina. Variana nisotrosotro dia tsy tratra ilay fotoana na dia niezaka namonjy tany am-piangonana ihany aza. Dia nisy niteny hoe izao isika ilay magy faha-4 tsy nahatratra ny fahaterahan'i Jesoa Kristy.

Avy eo samy niakatra tany Antananarivo daholo nianatra teny Ankatso.

Ny taona 1995 vao tena niforona ny tarika Mage 4, namoaka ny album voalohany "Valin'ny ditra".

Tamin'ny herintaona (TTF, 2005) dia nanohy fianarana any am-pita i Helian, lead vocal. Dia naka an'i Ken.

(...)

Ny tanjon'ny tarika dia :
-hipetraka foana ny tarika Mage 4, hisy handimby foana, hipetraka foana ny feeling
-hametraka ny ngadona rock eto an-toerana
-hanome zava-baovao isan-taona, hihatsara sy hivoatra hatrany hatrany

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mage 4 25 taona | Comments (0) |  Facebook | | | |