Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

DIENY VAO MIANDOHA

Raha fantatro fa eo amin’ny faritry ny tokotaniko no misy olona mikasa hanorin-dasy, inona moa no handrasako tsy hisakanana azy dieny vao miandoha ?

Mitorovoka amin’ny tany ilay olona, mamelatra selefanina kely dia manoko anana. Miampy ovy sy karaoty iny afaka andro vitsy. Tsy miteny aho. Heveriny fa mety ny ataony : manaiky aho matoa tsy miteny, izaho koa aza moa mba mividy eo ihany indraindray. Mahita ny tsena mandeha ny olona iray hafa, dia rafitra koa manoko voanjo kely, dia miampy akondro, dia mitatra tsikelikely, ary lasa tsena be.

Tsy vitan’izay, miakatra ny fari-piainana ka lasa talantalana hazo ilay selefanina tamin’ny tany. Manjary misy elo, dia miova ho labasy. Tsy ela dia indro fa misy andry biriky roa mitsangana. Hanjary tranoheva io ary ho lasa toeram-ponenana tsy ho ela.

Teo ambany masoko daholo no nisehoan’izany fivoarana rehetra izany saingy tsy niteny aho. Rehefa miorim-paka eo tanteraka ireo olona ireo, dia ho avy amin’izay aho hitabataba fa tokotaniko io. Ary dia ho raikitra ny gidragidra, hitsangana ny sora-baventy, hisy ny fitokonana sy filaharana, haresaka ny haino aman-jery …

Izany no sary tonga ao an-tsaina mandre sy mahita ny fandravana zavatra sy fanaisorana mponina amin’ny faritra maro eto an-tanàna.

Noravana ny tsenan’Ambanidia, dia zahao ange ao an-damosin’ny Farmasia e. Dieny izao koa dia mba jerijereo ny manamorona ny farihin’i Mandroseza, eo akaikin’ilay fihantsonan’ny fiara mangabe mpitatitra fa nanahirana ny nanala ny efa teo .

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |