Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 31 May 2017

FRAMASAO

rondro rakotobe, ony rambelo, franc-maçonnerie
Voalohany indrindra, franc-maçon no izy fa tsy FRAMATION.
Ny franc-maçonnerie dia fikambanana manahirankirana ny besinimaro noho izy manana fomba amam-panao iavahany, na dia voalaza aza fa mikatsaka ny mahasoa ny zanak’olombelona tsy ankanavaka. Fikambanan’olona notsongaina manokana, manana tsiambaratelo sy firahalahiana mampitambatra azy. Ny olona mpikambana ao no atao hoe francs-maçons. Mandà mafy tsy ho secte na fikambanam-pivavahana na antoko politika ny francs-maçons satria tsy manana foto-pampianarana manokana arahana, tsy manery amin’ny finoana ary tsy mikatsaka fahefana. Misy foto-pisainana ara-moraly ihany anefa ampitaina amin’ny mpikambana. Saingy na eo aza ny fitanana mafy ny tsiambaratelom-pikambanana, ny tsirairay dia mampiankina ny adidiny noho ny firahalahiana amin’ny tokony hataony eo anatrehan’Andriamanitra, ho an’ny tanindrazany, ho an’ny fianakaviany, ary ho an’ny zanak’olombelona rehetra.
 
Maçonnnerie satria manana adidy eo anatrehan’Andriamanitra, izay ambarany ho Grand Architecte de l’Univers. Ilay mpahay mari-trano lehibe indrindra nanorina izao tontolo izao. Mihevitra ny tenany ho mpandimby an’ireo maçons nanao fanorenana maro toy ny trano fiangonana lehibe ny francs-maçons. Izany no mahatonga ny mari-pamantarana azy hahitana sary équerre, compas, niveau, truelle, tempoly, andrin-trano, sns.
 
Loge no iantsoana ny zana-pikambanana itambaran’ny vondrona iray manana ny fitsipika anatiny manokana iavahany na eo aza ny fepetra ankapobeny mifehy eo anatrehan’ny franc-maçonnerie manontolo. Misy ohatra ny hoe Grande Loge de France. Loge ihany koa no ilazana ny toeram-pivorian’ireo. Tamin’ny voalhany, tsy nisy vehivavy franc-maçon, voarara mihitsy ny fidiran’ny vehivavy amin’izany. Tamin’ny taona 1893 no nipoitra ny Loge misy lahy sy vavy mifangaro, vokatry ny asa nataon’ny Sœur initiée voalohany atao hoe Maria DESRAIMES. Tamin’ny taona 1952 vao nijoro tamin’ny fomba ofisialy ny Loge tsy misy afa-tsy vehivavy, Grande Loge Féminine de France.
 
Mba hahafahana miditra ho mpikambana amin’ny Loge iray, dia tsy maintsy ekena aloha (accepté), dia ampahalalana ampahana tsiambaratelon’ny fikambanana (initié), araka ny « mythe hiramique ». Hiram de Tyr dia olona voatantara ao anaty Baiboly, nasain’ny Mpanjaka Salomon hiasa teo amin’ny fanorenana ny Tempoly, izay nahatana ny tsiambaratelo rehetra fantany na nampijaliana fatratra tokoa aza. Io mythe d’Hiram io no vanim-potoana niaingan’ny fanisana andro maçonnique, izay mampiasa système de datation 4000 taona mialoha miohatra amin’ny tetiandro mahazatra. Voalaza ihany koa moa fa tsy mety ho tonga franc-maçon raha tsy misy efa mpikambana taloha, manolotra (parrainage).
 
Apprenti no iantsoana ny mpikambana zazavao. Misy ny fandraisana manokana atao azy (réception maçonnique). Amin’ny Loge iray any Italie ohatra, dia vory lanona ny mpikambana. Ny lehibe, atao hoe Vénérable no mitari-draharaha. Tampenana ny mason’ny apprenti, mitafy tapaka izy ary ampidirina ao amin’ny tempoly mba hiatrika karazana sedra sy fitsapana. Mari-pamantarana maro no ampiasaina mba hanomanana ho amin’ny travaux de réflexion atao, sy ho marika ifankafantaran’ny samy mpikambana. Ankoatra ireo sary équerre sy ny sisa efa voatanisa teny aloha, dia eo koa ny sary telolafy, kintana, ny tarehimarika 3, 5, 7 ary tarehintsoratra. Misy ihany koa ny fitafiana toy ny tabliers graduels, ary ny maillet (karazana maritoa) izay mariky ny fahefana maha-to teny, izay ampiasaina amin’ny fanokafana sy famaranana ny fotoam-pivoriana.
 
Any amin’ny toerana sasantsasany, dia misy ny fikambanana maçonnique najoro ho an’ireo maçons antitra, ho an’ny vady navelan’ireo maçons efa nodimandry. Endriky ny fanehoam-pirahalahiana sy fifanohanana izany, toy ny fananganana akany ho an’ny zaza kamboty sy sekoly ho an’ny zanaky ny mpikambana. Tsy mitovy loatra amin’ny asa fanasoavana ataon’ny fikambanana mpanao asa fiantrana hafa ny an’ny francs-maçons, fa tena atao an-tsitrapo ho an’ny samy mpikambana, ary tsy misy taratasy fifanekena na dina voasoratra mandidy hoe tsy maintsy manampy ara-bola na ara-pitaovana ny « rahalahy » tra-pahasahiranana lalina.
 
Amin’ny heviny hafa, dia lazaina ho franc-maçonnerie ny fiarahan-dratsy ifanohanana amin’ny tsy rariny ataon’ny vondron’olona mitovy foto-kevitra. Fiokona angaha no mahazava azy kokoa. Tsy corporatisme tsy akory fa firaisan-kina hamelezana olon-kafa fotsiny izao.
 
Gazety Basy Vava lah.7994, Alarobia 24 May 2017, tak.3

12:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rondro rakotobe, ony rambelo, franc-maçonnerie, basy vava | Comments (0) |  Facebook | | | |